airtel

Politique

12-avril-2024

RMDM

“Tokony hiala ny governemanta, mila fifidianana madio”

Sample post image

Mivarahontsana isika satria tena sahirana tanteraka ny firenena kanefa misy mpitantana.

12-avril-2024

Tapitra ny 100 andro kanefa izao ny zava-misy, hoy ny RMDM. “Tsy mbola misy maneran-tany ny fitantanana tahaka izao. Nangatahan’I Andry Rajoelina hiala eto ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina satria niteny ny zava-misy hoe: aiza ny volan’ny Fonds Routier, ny fitantananareo tsy mety,… ka tonga dia nokapohina. Fantantsika tsara ny fiantraikany amintsika satria ny Vondrona Eoropeanina no mamatsy ny fanamboaran-dalàna, fanamboarana sekoly, fanamboarana hopitaly,… Matoa iny Ramatoa iny niteny an’iny dia nahazo fahazoan-dàlana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina volantsika ity tsy azo ariana fahatany”, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa. Nandrisika sy nankasitraka io diplaomaty izy ireo hiteny ny zavatra tsy mety noho izany ny RMDM. Ao anatin’ny krizin’Andrim-panjakana ihany koa isika teo anatrehan’ny fanonganana amboletra ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Christine Razanamahasoa, ka endriky ny fitantanana tsy mahomby daholo izany, hoy ny RMDM. Nandeha ihany koa ny sakantsakana nahazo ireo kandida avy amin’ny fanoherana sy ny tsy miankina toa ny nahazo an’I Narson Rafidimanana, Roland Ratsiraka,… Hoentina aiza ity firenena firenena fa ny mpamatsy vola iadiana, ny mpanao politika miteny ny tsy mety kapohina, ka miantso ny vahoaka ho tonga saina ny RMDM. Momba ny fitantanana tsy mahomby sy ny fahataperan’ilay 100 andro dia nametra-panontaniana ity vovonana ity hoe : tafiditra ao ve ny delestazy, ny vidim-piainana, ny làlana potika, tsy fandriampahalemana,…? Raha tafiditra ao dia tsy nahavita ny asa nandrasan’ny vahoaka taminy izany ny governemanta ka aleo mametra-pialana fa mavesatra amin’ny vahoaka ny fitantanana dia ny mbola tsy misy zavatra mitranga eto fa sarotra sy mafy ny zavatra iainan’ny Malagasy, hoy kosa i Pasitera Edouard Tsarahame. Nahitsy ihany koa io vovonana io nilaza fa tompon’antoka ny CENI sy HCC amin’izay ho fahalotoana na fahadiovan’ny fifidianana. Aoka ao tsy hisy olona anaty lisitra tsy hahazo kara-pifidianana, tahaka izany ihany koa ny resaka henonay fa misy manomankomana lisitra hafa, ka tompon’antoka ny CENI, ka aoka hadio ny lisitra, aoka tsy hisy hosoka,… fa hihosokosoka ary hifanosinkosina eto, ary hanahirana, hoy hatrany ny RMDM. Niantso sy nanome toromarika ny mpikatroka RMDM hanohana ireo kandida narotsaky ny Vovonana Firaisankina moa ity vondrona ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap