airtel

Politique

08-mars-2022

Politique

Romule Andriamanantenasoa “Mety ho sarotsarotra ny 2023 raha miala ny MMM”

Sample post image

Somary niakatra ny filoha Hajo Andrianainarivelo satria somary hafahafa fihetsika ny antoko politika TGV, hoy ny mpikambana eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,

08-mars-2022

Romule Andriamanantenasoa, ao anaty fiaraha-mitantana ny firenena. Mitady hanilika ny antoko matanjaka dia ny MMM ry zareo nefa samy nanohana izao fitondrana izao, hoy izy. Mampitandrina ny filoha Hajo hoe aoka mba ovaina ny fomba fanao tsy nety hatramin’izay satria manimba ny fiaraha-miasa. Efa sahirana ny vahoaka. Mbola asiana zavatra miteraka lonilony anaty fitondrana dia lasa miteraka zavatra hafa avy eo. Ny mpanohitra koa efa miandry fotsiny. Sioka tokana io dia rava ny tsena. Mila mitandrina ny fitondrana satria misy mamahan-dalitra ny filoham-pirenena ao ary samy manao izay saim-pantany ny aty ambany. Ny ekipanao ihany no manilika ny tokony hanohana anao. Mety ho sarotsarotra ny fifidianana amin’ny 2023 raha miala amin’io fitondrana io ny MMM. Na ireo mpikambana TGV koa aza efa mampaneno lakolosy hoe mba jereo izay mahasoa ny firenena, hoy hatrany ny tenany, fa tsy ny MMM ihany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap