airtel

Politique

21-févr-2024

Romy Andrianarisoa

Nalentiky ny mpitsara Britanika ho meloka

Sample post image

Raha mbola niziriziry ho tsy meloka Rtoa Romy Andrianarisoa Tale Kabinetra

21-févr-2024

teo alohan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 06 febroary teo nandritra ny fitsarana azy, dia nivoaka omaly tany amin’ny Fitsarana Southwark Crown Court any Londres ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanampy na « jurés », izay nahita fa tena meloka tokoa i Romy Andrianarisoa, « Tsara ho fantatra fa mila an’iny ny mpitsara vao afaka milaza ny mpitsara fa meloka ny olona iray, ka na teo aza ny fiarovan-tena sy fialana bala nataon’i Romy Andrianarisoa, dia nahita ny mpitsara fa meloka izy », hoy i Fanirisoa Ernaivo izay nanatrika ny Fitsarana tany Londres. Ny 18 martsa izao no heverina fa mety hivoaka ny didy mikasika an’i Romy Andrianarisoa. Tsiahivina hatrany, fa voampanga ho nitaky vola be tamin’ny Gemfields izy teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2023 mba hanampiana ny orinasa hanitarana ny orinasany eto Madagasikara. "Mbola mpanolotsaina mahatokin'i Rajoelina I Romy tamin'ny fotoana voalaza fa nanaovany ilay fandikan-dalàna ary afaka mandresy lahatra an-dRajoelina hankatoa ny fitrandrahana », hoy ny mpampanoa lalàna Alex Leach tao amin'ny Southwark Crown Court Fitsarana Britanika tamin’ny fitsarana ny 06 febroary teo. Ny 2021 ihany koa dia voalaza fa nihaona tamin’ireo Tomponandraikitra ambony ao amin’ny Gemfields i Romy Andrianarisoa ,ka anisan’izany ny Tale jeneralin’ny orinasa Sean Gilbertson. Tamin’io fihaonana io no nilazan’ i Romy Andrianarisoa mazava fa misy fifandraisany mivantana amin’ny filoha ny tenany”, hoy ihany i Leach. Nanatona ny National Crime Agency (NCA) any Grande-Bretagne i Gemfields taorian’ny nahafantarana fa nitady tsolotra i Romy Andrianarisoa sy Philippe Tabuteau mpiara-miasa aminy. Ny NCA avy eo dia nandefa olona mpitsikilo miafina, mody nolazaina ho mpanolotsaina nifampiraharaha tamin'ny anaran'i Gemfields, hoy ny mpampanoa lalàna. Araka ny fiampangana azy, dia voalaza fa nitady vola manodidina ny 270 000 Suisse francs (310 000 dolara), miampy ny petra-bola na « action » 5%-n’ny orinasa mpitrandraka Gemfield eto Madagasikara izy ireo. Betsaka ireo orinasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany voatonontonona ho efa nanaovana tahaka izao, ary izay tsy nanaiky dia sahirana, izay manaratsy endrika an’i Madagasikara. Andrasana ny tohiny sy ny didin’ny Fitsarana ary fanontaniana mipetraka ny hoe : hijanona eo amin’i Romy Andrianarisoa sy Philippe Tabuteau ve ny fanadihadian’ny NCA sy ny Fitsarana Britanika sa mbola hiitatra ? Tena nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana sy afaka hanao sonia fifanarahana momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ve sa tavela irery mizaka ny heloka mety niaraha-nanao ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap