airtel

Politique

24-avril-2024

Rossy sy Fidy TMH

Miha mangotraka ny fifanandrinana

Sample post image

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

24-avril-2024

fa nihaona tamin’ny Prefen’Antananarivo sy taminy ny fitarainan’ireo sefom-pokontany amin’ny fandrahonan’ny kandida roa azy ireo hoesorina raha tsy manohana mivantana azy ary ny fanilikilihana ireo tiany hosoloinaolona akaiky azy ka endrikendrehana ho olon’i ranona na i ranona. Nilaza ho nangataka tamin’ny Prefe mba hampatsiahy azy ireo ny didy aman-dalàna i Rossy, ary hanoratra sy hampita amin’ny ambaratongam-panjakana rehetra voakasika hisian’ny filaminana sy fiarahamonina tsy misy rahoraho. Nanipika moa i Rossy fa efa ireo no sefom-pokontany tamin’ny fifidianana filoha, ary nahazo sitraka, tsy nisy fahadisoana mihoampampana hanamarinana ny fandroahana kasaina hatao. Nampahafantatra ny mponina ny tenany fa efa miala tsy ho delegen’ny boriboritany faha-4 ireo kandida araka ny lalana, ka tsy manana fahefana hibaiko lehiben’ny distrika sy sefom-pokontany na mpitam-bola Rtoa Voahangy Bodo Ranalimalala izay notononiny mihitsy. Tahaka izany ihany koa Atoa Rafidimanana Désiré izay nambarany fa tsy manana fahefana hibaiko mpiasam panjakana (intsony ) ihany koa, ary miala tsy ho « chargé de mission », na mpanolontsaina politikan’ny Fiadidian’ny Repoblika, na asam-panjakana eo anivon’ny kaominina, na fiaindraiketana fakana vola eny amin ny tsena. Angatahana hampiseho ho hitam-bahoaka ny fametraham-pialany avy izy ireo, hoy I Rossy. Mangataka fihaonana sy mampita hafatra amin’ny Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS eto Antananarivo ihany koa ny tenany ny amin ny tokony hanendreny delege mpisolo toerana tsy mitanila eo amin’ny boriboritany fa tsy mety raha ny vadin’ny mpilatsaka ho fidiana no hiandraikitra asam-panjakana anaty fifidianana,… Mihamafy aloha izany ny fifandirana eo amin’ity kandida mahaleo tena ity sy ny kandidan’ny IRMAR Rafidimanana Désiré, ary efa nisy ny fampitandremana nataon’I Rossy vao tsy vao izao eo anatrehan’ny tsindritsindry samihafa atao amin’ireo sefom-pokontany. Vao aty alohan’ny propagandy dia efa mangotraka ny fifanandrinana ka asa izay ho fisehony rehefa tena fampielezan-kevitra sy any amin’ny latsa-bato. Ny andaniny mantsy ankehitriny, dia efa mandeha ny endrika fampisehoan-kery samihafa ary tahaka ny efa mandeha ny propagandy, rehefa tarafina amin’ny fihetsiketsehana toy ny fampiasana andian’olona milanja sora-baventy misy ny sariny eny an-dalambe, tahaka ny hita tetsy Namontana ny herinandro teo.
Toky R

Légende: Fony mbola nitovy ny tadin-dokanga!
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap