airtel

Politique

27-févr-2024

Sarobidy Rakotondravao

«Aza atao kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena!»

Sample post image

Niaraha-nahita tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo moa

27-févr-2024

fa nisy ny disadisa politika ary betsaka ireo tsy nandray anjara tamin’ny propagandy fa hitantsika tamin’ny haino aman-jery hoe 2 sy 3 no niezaka nanentana ny olony hifidy azy tamin’ireny, hoy ny mpanao politika, Sarobidy Rakotondravao. Nisy ireo niezaka namilivily ny saim-bahoaka tamin’ny resaka gasy sy vazaha, hoy izy. Ankehitriny anefa dia hoe handray anjara amin’ny fifidianana hoavy indray dia ny solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany. Nisy aza nanangana vovonana mihitsy hifaninanana ao anatin’izany. Ho an’ny mpanao politika, aza atao kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena fa lasa mampisavorovoro ny fiainan’olona satria mbetika ianareo mandroso, mbetika mihemotra. Raha tsy mahatony fo amin’izany ny vahoaka dia mety miteraka ady an-trano eto amin’ny firenentsika. Ataovy ny fifaninanana madio sy mangaraharaha rehefa hiroso! Fitiavan-tseza sy fitiavan-tenan’olom-bitsy te hifehy an’i Madagasikara no tazana. Niaraha-nahita fa nisy nivoy adim-poko mihitsy tamin’ireny zava-nisy ireny! Tao no niteny hoe an-drizareo afovoantany foana ve sa an-drizareo an’indran-tany? Fantantsika fa ny tian’ireo mpanao politika sasany ahatongavana dia ny hananana solombavambahoaka eto Madagasikara ahafahany mametraka ny olony ho praiminisitra. Matoa ianao mandray anjara nefa dia tokony hanaiky izay vokatra hiseho eo. Na ny mpitondra na ny mpanohitra dia aoka samy hangarahara ny paika politikanareo ao anatin’izao fifidianana heverina ho manakaiky vahoaka izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap