airtel

Politique

05-févr-2024

Sekretariam-panjakana

Raikitra indray ny fanangonana « CV »

Sample post image

Iraka ampanaovina an’ireo ny fanafainganana ny tetikasa ambara fa manan-danja

05-févr-2024

hanafainganana ny fanatanterahana ny vina ho an’ny fampandrosoana, raha ny serasera mandeha. Raha no voafaritra hatrany am-boalohany, dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 11. Mbola eo am-pitadiavana an’izay olona hapetraka amin’io indray ny Fanjakana, ka amin’ny alalan’ny tambajotra Linkedln an’ny Fiadidian’ny Repoblika indray no hahafahana mandefa ny antontan-taratasin’ireo izay maniry ireo toerana. Tamin’ilay fanendrena mpikamban’ny governemanta farany teo anefa dia voalaza fa 500 ny « CV » voaray ! Olona manodidina ny 20 ka hatramin’ny 25 eo no mandrafitra ny departemanta iray. Mason-tsivana amin’izany ny fitiavan-tanindrazana, fahintsiana, fahaiza-manao amin’ny fitantanana tetikasa. Handalo fitsapana sy tombana ataona « cabinet et experts » izy ireo, ary handalo fanadihadiana amin’ny Filoham-pirenena. Midika hatrany aloha izany, fa tsy nivonona tamin’ny fitondrana, fa ny naka fahefana no nahamaika, ka ny ekipa hiaraka hanatanteraka ny vina sy programa, izay tsy dia lojika loatra raha tena olona nivonona hitondra Fanjakana izay tokony ho vonona ara-poto-kevitra, arak’olona, ara-programa,… Voalaza moa fa handray anjara ihany koa amin’ny filankevitry ny minisitra raha misy zavatra mahakasika ny departemanta iadidiany. Mbola miandry « CV » indray aloha izany fanendrena an’ireo, fa ny tena fanontaniana mipetraka dia ny hoe : tsy hiteraka fifangarihana eo amin’ireo minisitra ve ny fametrahana an’ireto ? Tena ilaina ve ny fananganana rafitra maro eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika hanatanteraka ny asa tokony hataon’ny governemanta ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap