airtel

Politique

07-oct-2022

Politique

Siteny Randrianasoloniaiko « Raha kandida aho, dia izaho no ho Filoha manaraka… »

Sample post image

Efa ho herintaona teo ho eo izay no mandeha etsy sy eroa ny resaka momba ireo mety ho kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenea manaraka atao eto Madagasikara

07-oct-2022

Mbola mitohy hatramin’izao izany tombatombana izany satria tsy mbola nisy tena nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa ho kandida. Voatonona ao anatin’ity resaka ity Atoa Siteny Randrianasoloniaiko, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Toliara I, filohan’ny komity olaimpika Malagasy ary farany teo dia voafidy ho filohan’ny Judo aty Afrika .Manatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Judo any Nairobi – Kenya i Siteny R amin’izao fotoana ary nararaotin’ny mpanao gazetin’ny Radio Netherland any an-toerana nanontaniana ny momba io siosion-dresaka mahakasika azy io.Nanambara ary i Siteny R na i Rahozatra hoy ireo tena mahalala azy fa tsy vao izao no nisy nanontany hoe ho kandida Filoha ve ianao ; efa maro hoy izy ireo nanontany sy namporisika, ao ny mpanao politika, mpandraharaha, antoko politika, sy ny maro hafa.Milaza i Rahozatra fa eo am-pandinihana izany mihitsy amin’izao fotoana ary tsy maintsy hanapa-kevitra tsy ho ela. Tsy te handiso fanantenana aho, hoy izy ka mila mieritreritra tsara sy tsy maimaika. Na izany aza matoa aho kandida, dia izaho no ho Filoham-pirenena Malagasy manaraka, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko.
EFA MANOMAN-TENA ?
Raha ny tsiliantsofina re sy ny vaovao nokarohina dia anisan’ireo olona, mpanao politika efa nanomboka nandrafitra vinam-piarahamonina sy fandaharanasa i Siteny R, ary efa misimisy ihany ireo teknisianina , manampahaizana eto an-toerana sy any ivelany, teratany Malagasy sy vahiny miara-miasa aminy, eny fa na dia fifanakalozan-kevitra sy traikefa fotsiny aza.Ny fahitana azy dia anisan’ireo olona tena manana hambom-po sy manana toe-tsaina tia manao zavatra tsara ary tsy maintsy mandresy i Siteny, izy rahateo moa mpanao haiady Judo efa hatramin’ny fahakeliny. Raha tontolo politika indray, fantatra ny olona ihany izy fa tsy dia hoe malaza be, ka ho hita eo ny heviny sy ny fahasahiany hitsapa ny safidim-bahoaka ; ara-paikady politika dia fomba fiasa mahomby ny mandroso zava-baovao, vahaolana vaovao sy mitombina tsara amin’izao krizy iainan’ny firenena izao manoloana tsy fahombiazam-pitantanan’ny fitondrana Rajoelina. Ho hita eo ny tohiny .
Legende : Siteny Randrianasoloniaiko niresaka tamin’ny mpanao gazety tany Nairobi - Kenya
RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap