airtel

Politique

20-févr-2024

Tahina Razafinjoelina

« Matokisa Malagasy, ajanony ny fampanantenana poakaty »

Sample post image

Na hitodika amin’ny firenena iza isika na iza dia aza adino

20-févr-2024

fa ny fitiavantsika sy ny fahalalantsika ny Firenentsika ihany (Olombelona, tany, ranomasina, teny, kolon-tsaina, orinasa,...) no lalan-tokana hahombiazana anaty fanatontoloana », hoy Atoa Tahina Razafinjoelina mikasika ny raharaham-pirenena. Fanehoan-kevitra izay mitodika avy hatrany amin’ny politika tokony hitondrana ny Firenena hoe : na hiara-dia amin’ny Tandrefana na hitodika amin’ny arabo, na hisafidy ny sinoa sy ny namany,… dia tsy any no tena adihevitra sy zava-dehibe hivoahan’ny firenena amin’ny fahantrana sy hahafahany miroso sy mivoatra, fa ny fahaizana mamadika ho fanoitra ny zava-misy ao aminy toy ny olombelona izay harena voalohany ; ny fahalalana sy fahafehezana ny harena eto, ny fanabeazana ny Malagasy miompana amin’izany, ary isika samy isika no mila miara-miasa sy mifampatoky, mifamelona sy mifanampy fa tsy mifamotika,… « Matokisa Malagasy fa tsy hisy tafita eo raha tsy mifampatoky, miara-miasa, izay vao tafita. Miara-dia tokoa vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia. Manentana ny mpitondra mba hamerina indray ny fifampitokisana ka hanajanonana ny fampanantenana poak’aty fa miainga avy aminareo ny ohatra ho an’ireo taranaka ary tsy voatery fitaka ny politika.", hoy hatrany Atoa Tahina Razafinjoelina nanamafy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap