airtel

Politique

06-mai-2024

Tanora TIM Atsimondrano

"Ny depiote Voahangy, mpitolona no mahasolotena anay "

Sample post image

Tsy manohana kandida hafa ankoatry ny avy amin`ny Vovonana Firaisankina izahay

06-mai-2024

Tanora TIM eto Atsimondrano". Io no votoatin`ny fanambarana nataon`ity rafitra iray ity ny sabotsy lasa teo teny amin`ny Espace Olympia Ampitatafika. Ankoatry ny fanarahana ny fandaminana napetraky ny antoko dia resy lahatra izy ireo fa ny lisitra tarihin`ny Depiote Voahangy no afaka hisolotena an`Atsimondrano amin`ny fanohizana ny tolona ho an`ny fanovana. Mila olona afaka miady sy tsy azo hozongozonina izany ady ho an`ny tombontsoan`ny Firenena izany. Voahangy Raharimanarivo manokana dia efa nanaporofo fa afaka miatrika izany. Nandray anjara mavitrika tamin`ny tolona rehetra niadiana ho an`ny fampanajana ny zo fototra teto amin`ny Firenena izy ary tsy latsak`izany ihany koa ireo mpiray lisitra aminy. Niray feo ary ireto tanoran`Atsimondrano ireto fa hanamafy ny fiaraha-miasa hampandaniana ny lisitra laharana faha-efatra ary mbola miantso ireo rehetra mitovy hevitra aminy mba hifanatona ahafahana mandrindra izay tokony hatao rehetra. Tsy vitan`izany fa hijoro hiaro ny safidin`ny vahoaka koa izy ireo ka tsy hampibaribary izay rehetra mikasa hanodikodina izany noho ny fiarovana ny tombontsoan`olom-bitsy.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap