airtel

Politique

31-janv-2024

Te ho "super hero" ianareo mianakavy

Ahoana ry jean be aaa, dia hita mihitsy hoe

Sample post image

iray tarika amin-dry jean kely sy ry Jean naivo ianao. Avela elaela eo ilay olana,

31-janv-2024

avela mihitsy aloha mimenomenona ny olona, atao mihitsy izay hahatonga any amin'ny faratampony ny faharesena na ny fahatezerana. Dia indro tonga ianareo fa hoe hitondra vahaolana, hamaha ny fatorana, miaraka amin'ny mpaka sary sy ny mpaka feo. Dia entinareo eo ny fitaovana, izay tsy hita nandritra ny volana maro dia raikitra fa hoe atomboka ny asa ary tsy azo ekena intsony mihitsy ny tahaka izao.Hitako mihitsy ilay fihetsikao tery amin'ny zaoridira maimbo be aman-taoniny nanakana ny arabe. Tahaka ny hoe tsy mponina eto ve ianareo ry jean be no mody gaga mahita an'io fako efa lasa tendrombohitra io aaa...marina fa hoe fitaratra mainty ny fiaranareo, mety misy tsio-drivotra manitra ihany koa ny ao anatiny, fa na dia izany aza ry jean be aaa.... Zavatra efa miharihary tahaka ny tafika andrefan-tanàna io ve ry jean be dia tsy tazana fa tena sinema ny anareo no betsaka a. Rehefa mahatsiaro reraka na resy sy tsy mahita hisarangotana intsony iny ilay vahoaka dia mipoitra tampoka avy any ianareo fa hoe hamonjy, tahaka an-dry superhero amin'ireo Film malaza toa an-dry Superman, Batman, Ironman, Captain America. Dia hampanantena be eo, dia hoe hiady amin'ny fahavalo, dia antsoina hoe mpanavotra e. Tena hainareo ilay manabado vahoaka ry Jean a..fa izao : ra tena te ho Superhero tena izy ianareo dia reseo ny Mafia manageja ny toekarena, sahia miady amin'ireo mitady handrapaka ny jirama, tairo amin'izay ny don-databatra amin'ireo mpandraharahan'ny solika maka tombom-barotra mihoapampana. Raha vitanareo izany ry Jean, izay ianareo vao tena superhero, fa raha io hetsika taitaitra io dia mpanjakan'ny tapi-maso sy ny fitaka manarapenitra ihany aloha ianareo. Tsy mandaitra mandrakizay anefa io fa tandremo aa.
Marco, tena maharaka film tsara
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap