airtel

Politique

15-déc-2023

Tetikasam-panjakana sy volam-bahoaka

Efa tena lasa fanjonoana olona hiditra ho TGV

Sample post image

Mitohy ny fanjonoana vahoaka izay hampanantenaina hisitraka tombotsoa samihafa,

15-déc-2023

saingy ho an’ny mpikambana TGV ihany raha ny sary miseho ankehitriny. Iny efa nosantarin’ny kandida nambaran’ny HCC fa lany teny Andranomanalina iny ny karazana valim-babena satria noresahana mihitsy fa teny no ambony indrindra ny tahan’ny mpifidy satria 92%. Nafotaka indray ny filaharana teny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano ka hiady sisika hahazo ny karatra TGV ireo olona, raha ny nambarany. Nisy mihitsy no efa hatrany amin’ny tamin’ny 4ora maraina no teny, raha ny andron’ny omaly. Ireo tafiditra ho mpikambana TGV dia afaka hisitraka tombotsoa samihafa rehefa mahazo izany, hoy ireo olona. Anisan’io moa ilay tetikasa «Hazavana ho anao », izay voalaza fa tsy maintsy hampisehoana an’ilay karatra maha TGV miaraka amin’ny karinem-pokontany ilay miloko volomboasary misy QR Code. Ireo olon’ny TGV no voalaza fa lohalaharana amin’ny fisitrahana «Vatsy Tsinjo », « Tosika Fameno » na fanomezana samihafa. Tahaka izany ihany koa ny fitavam-pianarana ho an’ny zanak’izy ireo, izay nambara fa ho maimaimpoana. Milaza Atoa Andry Rajoelina fa ho Filohan’ny Malagasy rehetra fa tsy ho Filohan’ny TGV fotsiny fa moa tena araka izany ve io sary miseho ankehitriny io ? Tena mitovy tantana ve ny Malagasy ? Ireo tetikasa mandeha ve amin’ny alalan’ny volan’ny TGV na volan’Atoa Andry Rajoelina madiodio satria raha ilay jiro zaraina izao dia nampiasaina talohan’ny fifidianana, nampiasaina tao anatin’ny propagandy, ary io lazaina fa fandaharan’asam-panjakana io ? Raha ny resaka vatsy tsinjo sy tosika fameno, dia saika avy amin’ny famatsiam-bola vahiny amin’ny alalan’ny fivarotana sy firesahana ny fahantrana sy fahasahiranan’ny Malagasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka nahoana no ny TGV irery no omena tombondahiny kanefa volam-bahoaka, trosam-bahoaka, ary mandoa hetra ny Malagasy rehetra fa tsy ny volomboasary irery. Eo ny fiangarana fa tena izao ve ny vahaolana ahafahana miala ao anatin’ny fahantrana sy fahasahiranana lalina mahazo ny firenena ? Hionona amin’ny politikan’ny fanjonoana vahoaka amin’ny vahaolana vonjitavanandro hatrany ve hanapenana ny masony ka raha tsy mandeha amin’ny kisendrasendra tahaka ny « Tombola » dia amin’ny kizarazara ho ana ampahan’olona?
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap