airtel

Politique

22-févr-2024

TIM Boriboritany faha-4

«Ny vahoaka eny ifotony no manolotra kandidà»

Sample post image

Ho fanamafisana ireo asam-baomiera natao nandritra ny fankalazana ny

22-févr-2024

faha 20 taonan’ny antoko sy ny famelomamaso dia nanao fanambarana omaly ny tomponandraikitry ny antoko politika Tiako I Madagasikara na TIM eo anivon’ny boriboritany faha 4, voafidy ara-dalàna, DISTIM, mpanolo-tsainan’ny tanàna, ny birao ny FOKOTIM, miaraka amin’ny tanora sy vehivavy fa mampatsiahy foana ny tokony hanajana ny fehikevitra tapaka tamin’ny kaongresy nasionaly ny 1 jolay 2023 izy ireo. Tapaka sy nambara am-pahibemaso tamin’izany fa tsy atao fomba fanao intsony ny « Parachutage» na fiavin’ny tafara fa ny vahoaka eny ifotony no manolotra izay heverina ho kandidà amin’ny fifidianana rehetra izay mbola ho atao, hoy ny fanambarana. Fanirianay rantsa-mangaika ety ifotony ny hanatanterahana ny hetahetanay mba tsy ho rano dikain’ny zinga sy ho mpanara-drenirano fotsiny ihany ny mpikambana. Antoko velona sy matanjaka ny Tiako I Madagasikara eto amin’ny boriboritany faha 4 ka saropiaro noho ireo ezaka sy asa natao nahatongavana tamin’izany, hoy hatrany ny fanambaran’ny TIM Boriboritany faha 4 omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap