filatsahan-kofidian'i Roland Ratsiraka filoha nasionalin'ny MTS ary tohanan'ny kolekitifa an'ny Malagasy amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao Toamasina I. Michèle Randriantsalama no mpiray lisitra aminy. Zanak'i Toamasina, mahalala tsara izany tanàna izany satria sady efa depiote no ben'ny tanàna tao i Roland Ratsiraka. Zanak'omby tsy ampianarin-domano ihany koa eo amin'ny tontolon'ny politika satria efa avy minisitry ny fitaterana sy ny fizahan-tany, efa avy minisitry ny asa vaventy ihany koa.Anisan'ireo kandida nafana fo nitarika ny hetsiky ny collectif des candidats i Roland Ratsiraka ary miara-dalana amin'ny kolekitifa an'ny Malagasy ankehitriny satria tsy mbola vita ny tolona ho an'ny fanovana ary tena karazana fihodinana faharoa amin'ilay fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taon-dasa ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey io.Ho an'i Roland Ratsiraka moa dia fahavalo iombonana ary mila resena ny fahantrana, ny fitantanana tsy mendrika, ny tsy fanajàna lalàna ary ny fanaparam-pahefana.
Nangonin'i RTT
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina