airtel

Politique

15-mai-2024

Toavina Ralambomahay

"Fotoana izao hijoroana ay hanovàna"

Sample post image

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

15-mai-2024

misy eto amin’ny firenena ny vahoka malagasy. Làlana maro no ahafahana manarina an’i madagasikara ankehitriny. Isan’izany ity fifidianana depiote ity, hoy ny kandidan'ny Kôlekitifa an'ny Malagasy ao amin'ny boriborintany voalohany Toavina Ralambomahay. Ny antony, raha olom-pirenena avy amin’ny vahoaka, mahalala tsara ny tena marary ny vahoaka sy ny filan’ny vahoaka no tonga eny amin’ny antenimierampirenena, tsy maintsy hisy ny fiovàna amin’ny fiainam-bahoaka, hoy i Toavina Ralambomahay .Tsy maintsy miainga avy amin’ny safidin’ny vahoaka dieny izao izany ny ho avin’ny fiainan’ny Malagasy maro an’’isa ao anatin’ny taona manaraka ho avy eo io. Izay indrindra hoy hatrany ny fanehoan-keviny no antony, tokony handinihan’ny olom-pirenena tsirairay, mba ho saro-piaro amin’ny fiainam-pirenena fa indrindra handray an-tanana ny ho avy. Ka isan’ny tena antsoina araka izany ny fitsanganan’ireo maro an’isa tsy naneho hevitra hatramin’izay, handrotsa-bato ary hahay hifidy ireo izay heverina fa afaka ny tena hisolotena eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Isan’ny efa nanomboka amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka ny kandida solombavambahoaka amin’ny boriboritany voalohany, Toavina Rlambomahay teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ka mila tohizana eny amin’ny antenimierampirenena izany.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap