ny fihaonamben’ny Filoham-panjakana sy ny Governemanta ao anatin’ny Vondrona Fampandrosoana aty Atsimon’i Afrika na SADC ny. Ity no fivoriambe faha-46, nampivondrona ireo firenena 15 mpikambana, ankoatra ny Nosy Comores. Lohahevitra amin’ity ny fampivoarana ny indostria sy ny toekarena maharitra sy mampiaty, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa, ny fambolena ary ny harena an-kibon’ny tany, mba hahazoan’ny rehetra tombontsoa. Ity ny fandraisana anjara feno voalohany ho an’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kôlônely Randrianirina Michaël, nahitana fitenenana, lanonana ofisialy, izay nanamarika ny fidiran’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Naneho rahateo ny Fanjakana, fa nidera ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny fanavaozana sy ny fifididianana ny Filoha Afrikanina Tatsimo, izay nilaza fa tsy miady irery i Madagasikara fa eo izy ireo hanohana. I Madagasikara izay namaritra mazava ny lalan-kizorana ao anatin’ny firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena sy efa namariparitra ny fifidianana hatao ny taona 2027. Ara-toekarena, nisy ireo endrika fahavononana hanohy sy hiara-hiasa, toy ny fangatahana fihaonana nataon’ny BADEA na ny Banky Arabo momba ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika, izay miara-miombon’antoka amin’ny tetikasa maro toy ny fanamboarana ny ampahany amin’ny RN1bis, ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina, ny zotran-dalamby FCE,… Ankoatra ny fivorian’ny Troïka izay atao mialoha ny an’ny Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana dia tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Filoha Randrianirina Michaël ny fihaonana manokana amin’ireo Filoham-pirenena samy Afrikanina (rencontres bilatérales). Araka ny fandaharam-potoana, i Zambia no hanohy izany fitantanana izany aorian’i Afrika Atsimo. Ho an’ny “organes” Troika, dia ny fanjakana Eswatini, Malawi ary Angola no mandrafitra izany amin’izao fotoana izao. Samy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny asa sy ny fanamby mbola miandry ny SADC ireo mpitondra ambony toy ny Sekretera Mpanatanteraka Elias Mpedi Magosio, sy ireo Filoham-panjakana toa an’i Dr. Emmerson Dambudzo Mnangagwa avy any Zimbabwe ary Andriamatoa Cyril Ramaphosa avy any Afrika Atsimo : fampiroboroboana ny toekarena, fanamafisana ny fandriampahalemana ary fanohanana ny filaminana manerana ny faritra. Nampahatsiahivin’ny mpitarika fa manana tombony goavana ny firenena ao anatin’ny SADC amin’ny alalan’ny harena voajanahary sy ny isan’ny mponina izay mahatratra 400 tapitrisa mahery. Mikasika an’i Madagasikara manokana, nanamarika ny Filohan’i Zimbabwe dia fa nisy ny fahombiazana tamin’ny ezaka nataon’ny iraka manokana “Panels of Elders” teo anivon’ny SADC, izay nambara fa nanampy tamin’ny fametrahana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana teto amin’ny firenena. Milaza fa vonona hanohy hanohana ny ezaka rehetra ho amin’ny fanatanterahana ny dingana mankany amin’ny fanavaozana voafaritra ao anatin’ny tetikandron’ny Repoblikan’i Madagasikara ny SADC,… Somary miova aloha izany ny fijerin’ny SADC saingy mety hihalafy ihany koa ato ho ato ny tsindry samihafa mikasika ny fifampiresahana andraisan’ny rehetra anjara, famoahana ireo gadra politika, famelana ireo sesin-tany,…
Toky R
Goavana ireo dosie 5, atahorana hitsoaka sy hamafa porofo…
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny RMDM