airtel

Politique

15-déc-2023

Toe-draharaha politika

Miverina ny sarin’ny 1971, 2002, 2009,…

Sample post image

Mihasarotra ny toe-draharaham-pirenena, miharatsy hatrany ny toeran’ny mpitondra.

15-déc-2023

Mivelatra ny endri-panoherana taorian’ny fifidianana natao amboletra, niorina teo ambony tsy fitovian-kevitra lehibe, nampiasana ny hery sy famoretana tamin’ny endriny rehetra, tonga hatrany amin’ny fisamborana sy fanagadrana ary mbola misy aza ireo dosie tsy voatsara,… Mbola betsaka ny fery tsy voatsabo naterany, ary vao mainka nampiditra lalindalina kokoa amin’ny krizy politika izay voizina foana moa fa tsy nisy an’izany. Noheverina fa ho vita teo amin’ny fandravana hetsika, izay nifototra tamin’ny famoahana basy aman-tafondro, fandrahonana, fandratrana, fandemen-tsaina,... ka hizotra mora fotsiny ny fitazonana fahefana, kanefa toa tsy dia mizotra firy amin’izany. Miitatra ny tolona, ka raha noheverina fa hijanona teo amin’ny Firaisankinan’ny kandida, dia mivelatra amin’ny endriny hafa, nitsangana ny « cellule de crise » sy ny rafitra handrindra azy, manerana ny Nosy, io nilatsaka io fanambaran’ny Antenimieran’ny Raiamandreny ara-drazana sy ny Foko eto Madagasikara milaza fa hanangana governemanta, ary miteny rava ny lalàmpanorenan’ny repoblika. Sary efa nitranga teto ny taona 1971. 1991, 2002, 2009, 2018 rehefa misy tolona mandeha ny fananganana rafitra vaovao manilika ny rafitra misy na najoro. Efa nitranga teto ny fibatana ny HCC tany an-toeran-kafa noho ny toe-draharaha politika tamin’ny raharaha 2001-2002 ary nisiana fihanianana in-droa. Efa niseho teto ny fisiana Praiminisitra roa samihafa notendrena hery roa mifanohitra, governemanta roa samihafa izay misy ny nitsangana teny an-dalambe, tonga hatrany amin’ny famakiana minisitera mihitsy raha ny tranga niseho ny taona 2009,... Tonga amin’ny resaka fanehoana fifandanjan-kery ara-politika hoenti-mandrodana ny rafitra iray izay ambara fa tsy ekena intsony. Raha mampahatsiahy ny 2009 dia isan’ny novoizina ny resaka fiandrianam-pirenena tahaka ny voalaza fa fisiana fampidirana mersenera vahiny, ny fanomezana tany hampiasain’ny vahiny,… fa izao ilay voalaza fa ho Filoham-pirenena mihitsy no tratry ny fiampangana ho tsy Malagasy intsony !? Sary efa nitranga teto ihany koa tamin’ny krizin’ny 1972 ny hoe : vao avy lany tamin’ny isan-jato 98% tany ho any ny Filoha Tsiranana, saingy volana vitsy taorian’izay dia niongana rehefa nipoaka ny raharaha 13 may 1972,… Ho avy ve ny fisamborana sy fanagadrana samihafa eo anatrehan’ny mety hisiana hetsi-panoherana aorian’ny fihanianana ? Saropady ary tsy tokony horesahana ny resaka foko satria efa Malagasy iray isika, saingy ny sary mitranga dia toa mpanao politika avy eto afovoan-tany avokoa no alefa any am-ponja, saingy raha jerena io endrika isehoan’ny Raiamandreny ara-drazana io dia saika ao ny manerana ny Nosy, izay tsikaritra ho sarotiny kokoa ary mijoro eo anatrehan’ny fikitikitihana sy fanenjehana tsy ara-drariny ny avy any amin’ny faritra. Hanao ahoana ny fomba hisakanana azy ? Tena mbola hahomby ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap