airtel

Politique

13-juil-2022

Politique

Toe-draharaham-pirenena Manomboka mivoaka ny “Miala Rajoelina!”

Sample post image

Manomboka maro ny olom-pirenena tsotra na amin'ny sehatra samihafa ivelan'ny fanaovana politika maneho hevitra mivantana sy tsy amin-tahotra, fa tsy zakan’ny vahoaka intsony izao vidim-piainana izao,

13-juil-2022

ary tokony hiala am-panajana ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina rehefa tsy mahavita azy intsony, rehefa songonan’ny zava-misy ka tsy mahafehy sy tsy mahavaha olana intsony,… Raha mpanao politika no miteny dia mety mbola ho azo hadika hoe: fialonana ara-politika sy fitadiavan-tseza, saingy efa feo hafa mihitsy no manomboka re ankehitriny, toy ny mpanakanto, fiangonana, mpitondra fivavahana,… "Tokony mametram-pialana ny filoha sy ny praiminisitra fa tsy ainy ilay mitondra firenena ary tsy an'ny “orange” irery ity firenena ity fa an'ny Malagasy", hoy I Christian Razafinimamy na Rahckiky no ahalalalan’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny zava-kanto. “Aza mieritreritra anay ho vitsy fa tsy hanaiky izahay ary hitroatra satria ianao Rajoelina no anisany nampahantra anay, tsy an'i "orange" i Madagasikara fa an'ny vahoaka rehetra. Na inona na inona no fifampiresahinareo tao dia tsy zakanay Malagasy ny fiakatry ny vidim-piainana”, hoy izy. Nilaza fa vonona hitarika hetsika mihitsy izy eo anatrehan’izao zava-misy izao, fa ny ora sy ny fotoana no tsy mbola fantatra. “Natao ihany ny hangina fa tsy afaka mangina, manoloana izato fahasahiranan'ny mpiray tanindrazana amin'ny tena… ”, hoy kosa ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na ny HMF ny 11 jolay 2022. Nahitsy ny HMF nampahatsiahy fa tsy vao izao no nisy ny fiakarana mihoampampana teo amin'ny vidiny iraisam-pirenena fa efa nisy foana izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny taona 2006 isika ka nahatafakatra azy efa ho 146 dolara, fa izay mitranga ankehitriny dia manodidina ny 100 dolara. (...) Nandritry ny fotoana lava no nisian'izany fidinana farany ambany izany fa tsy afaka nisitraka izany ny vahoaka Malagasy. Rehefa midina izy izany dia tsy azo ampiharina fa rehefa miakatra izy dia tsy azo hihodivirana? hoy ny fanontaniana. “Tsy vao izao ny Fiheverana ny vahoaka ho bado ny fampitahana ny vidiny eto sy any ivelany; efa nisitraka ny fidianan'ny vidin-tsolika ny ankamaroan'ireny firenena ireny sady ambony ny harin-kareny, mifandanja tsara amin'ny vidin'ny solika ny karama farany ambany”, hoy ny HMF . (…) Ho an'ny Mpitondra, dia tokony hifampidinika amin'ny rehetra rehefa hita fa tsy tafavoaka ny tena na hametra-pialana am-pitoniana rehefa mahatsapa fa efa mihoatra ny lohan'ny tena ny olana samihafa ; ny mampiavaka ny mpitondra amin'ny vahoaka manko dia olona natao hamaha-olana izy fa tsy mpilaza na mpitaraina olana. Hoan'ny vahoaka, fotoana fandinihan-tena izao fa tena mila mandinika lalaina rehefa taom-pifidianana fa tsy mati-kanin-kely ka natakalo fanomezana tsy nahavita taona ny safidin'ny tena,…”, hoy hatrany ny HMF.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap