airtel

Politique

13-déc-2024

Tosika fifidianana sy fividianana

Araraotina ny fahantram-bahoaka, atakalo vary sy paty ny 5 taona…

Sample post image

Iray andro taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna, toerana maro eto Antananarivo no nahitana

13-déc-2024

filaharam-be omaly 12 desambra 2024. Tazana mitondra entana toy ny vary sy paty ireo avy eo ireo avy nilahatra. Fanomezana avy amin'i dadabenoely ve sa tosika vita fifidianana valin’ny latsa-bato natao sa inona? Talohan’ny fifidianana no efa nisy tahaka an’io, nitohy tamin’ny faradoboky ny kandida volomboasary teny Antsonjobe izay betsaka no diso fanantenana sy nirotaka tahaka ny teny Tsiadana, dia iny nandeha iny ny fandaharan’ny Filoham-pirenena nilaza fa mandeha ary hitohy ny fanomezana fanampiana ka nilazana fa tsy tokony halahelo ireo izay tsy mahazo satria tokantrano 400 000 no hizarana,… Misy ny mety holazaina fa tosika avy amin’ny TGV fa tsapa sy tsikaritra ihany koa ny famadihana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola toy ny Banky Iraisam-pirenena ho amin’ny anaran’ny antokom-panjakana mivantana na ankolaka. Vola amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy anefa ireny, ary fanampiana ho fitazonan’aina noho ny faharefoana sy fahantran’ny vahoaka. Tsy azon’ny mpitondra hireharehana fa manaporofo an’ilay maha fadiranovana ny vahoaka sy ny Firenena Malagasy, saingy tsy mety manaiky an’izany moa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa miezaka mitanisa « Taux de croissance » tsy hita taratra amin’ny toekarena sy ao anaty vilan’ny Malagasy. Dia lalaovina amin’ny fahantrany sy atao fitaovana ara-politika ny Malagasy ka vidiana amin’ny vary sy paty tsy mahavita tapa-bolana akory hatramin’ny safidy amin’ny maha olom-pirenena. Atakalo vary sy paty ny 5 taona ? Zary lasa fomba fanao politika ny domina tapany handoa erany amin’ny fanararaotana ny fahantram-bahoaka, ka hatao tahaka ny akoho tsipazam-potsim-bary rehefa fotoam-pifidianana. Ireny avy eo no ilazana fa manana fototra na « base politique » ny antoko volomboasary ka asa izany tokoa ve no marina sa mividy olona mivantana na ankolaka ary mbola miaro hosoka sy hala-bato rehefa fifidianana ? Tsara ny mampahatsiahy, fa tsy isan’ny nanasonia ny sata ara-pitondran-tena na « charte de bonne conduite » nampanaovin’ny firaisamonim-pirenena ny volomboasary nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 izay tafiditra tao anatin’io ny tsy tokony hividianana vahoaka mivantana na ankolaka. Tena nitondra soa ho an’ny Firenena sa fampahantrana vahoaka ankolaka mba hahafaha-manambaka sy manao fitaovana azy amin’ny fotoana ilàna azy ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

02-juil-2025

Ny fampitahàna dia tsy vahaolana velively hahazoana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara,

Card image cap
02-juil-2025

atahorana hirotsaka eny amin’ny 13 may…»

Card image cap
01-juil-2025

Namoaka horonantsary tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Filoham-pirenena 2023

Card image cap
01-juil-2025

Androany izaho mbola mamerina miteny ihany : Voapozina (fanahy niniana natao)

Card image cap
01-juil-2025

Misy tsy mahazo resaka, hoy ny mpanakanto sady depiote teo aloha,

Card image cap