airtel

Politique

06-févr-2024

Tsarahame Edouard

“Aza atao valifaty politika toy ireny foana no eto!”

Sample post image

Fifanarahana ara-kasa fa tsy fifanarahana politika no natao mikasika ny raharaha Plaza,

06-févr-2024

hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, Tsarahame Edouard. Ho tombontsoan’ny zanaka malagasy izany, hoy izy, nefa ny analana azy ao dia resaka politika. Antsojay politika no natao. Mpandraharaha malagasy io fa tsy vahiny. Fa maninona ny mpandraharaha vahiny tsy azo hanaovana izany eto? Ny karàna rehetra ireo mihoatra lavitra ny fangoronana tany sy fambotriana ity firenena ity fa tsy misy fanjakana mampihatra lalàna izany eto. Rehefa malagasy, maninona no atao toy izany? Tsy afaka mifampijery ve ny malagasy samy malagasy sa ve efa misora-tena ho vazaha ianareo ka tsy miheritreritra ny gasy hampandroso ity tanindrazana sy firenena ity? Tsy mahasoa ny tanindrazantsika ireny. Aza atao valifaty politika toy ireny foana ny eto fa raha misy tsy itovian-kevitra, azo atao ny mifanatona, mifampiraharaha, manova ny fifanarahana raha ohatra ka izay no olana. Maha menatra ny firenentsika raha mpandraharaha miheritreritra hitondra ny anjara birikiny eto amin’ity firenena ity no anaovana zavatra toy ireny. Valifaty ary politika tanteraka ny didy navoaka mikasika an’io toerana io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap