airtel

Politique

20-févr-2024

Tsy fahaiza-mitantana, fihemorana,…

Niakatra ny tahan’ny mahantra fadiranovana an-tanàn-dehibe

Sample post image

Saika feno mponina fadiranovana ireo tanàn-dehibe !

20-févr-2024

Misongadina ny fiakaran’ny tahan’ny fahantrana amin’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara, raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, notaterin’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. Niainga tany amin’ny 42,2% ny taona 20212, ary tonga 55,5% ny taona 2022. Tsara moa ny manamarika sy mahampahatsiahy, fa ny fanasokajiana ny olona ho mahantra araka ny fenitra iraisam-pirenena, dia ny miaina ambanin’ny 2 dolara izy teo aloha fa nakarina ho 2,5 dolara isan’olona isan’andro isan’andro eo, izany hoe : manodidina ny 10000Ar isan’andro. Ho an’Antananarivo renivohitra, 33,3% io ary niakatra ho 34,4% raha ny voalazan’ity tatitra ity, saingy mahery vaika kosa izay fitomboan’ny olona mahantra sy fadiranovana izay ho an’ireo tanàn-dehibe sokajy faharoa na « villes sécondaires », raha ny voalazan’ity tatitry ny Banky iraisam-pirenena ity izay nanao tombana ny fivoaran’ny fahantrana sy fifandanjany eto Madagasikara. Amin’ny ankampobeny, niainga 46% no niakatra 61,1% tao anatin’ny 10 taona ho an’ireo tanàn-dehibe sokajy faharoa izay ahitana mponina 5000 hatramin’ny 100 000 isanisany. Nomarihina tao anatin’ny tatitra, fa nitombo hatrany ny olona mahantra, indrindra nandritra izany vanim-potoana izany izay nialohavana krizin’ny 2002, 2009, 2020. Izany dia midika fa marefo amin’ny krizy politika anatiny ny faritry ny tanàn-dehibe, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Voalaza fa nisy fihenany kely kosa ny tahan’ny mahantra ho an’ny tontolo ambanivohitra kanefa tsy hita taratra satria teo amin’ny 80,6% ny taona 2012, ary 79,9% ho an’ny taona 2022. Nomarihin’ny Banky Iraisam-pirenena tao anatin’ny fandalinana mikasika ny rafitra, fa ny fahantrana ho an’ny tontolo ambanivohitra, dia vokatry ny vokatry ny fampiasam-bola ho an’ny tontolon’ny fotodrafitrasa izay hiviny dia hiviny, ny fitokana-monina, tinady anatiny kely dia kely,… Amin’ny ankampobeny, nisy fiakarany ny tahan’ny fahantrana tao anatin’izay 10 taona izay satria teo amin’ny 72,9% no nikisaka nakany amin’ny 75,2%. Raha hiverenana kosa ny taona 2023, dia tafakatra 80,7% ny tahan’ny mahantra eto Madagasikara. Matoa io no mitranga, dia midika fa tsy nahomby ny fitantanana ny firenena !

AZO RESENA NY FAHANTRANA !
Raha hiverenana, nisy ny fanamarihan’i Marc Stocker, manam-pahaizana momba ny toekerana eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena tany amin’ny fisasahan’ny taona 2022, fa avo telo heny mitaha amin’ny fihemoran’ny Firenena Afrikanina ny an’i Madagasikara nandritra ny krizin’ny coronavirus satria afaka nanohitra sy niarina vetivety ny firenen-kafa. Izy no niteny an’ilay hoe : afaka 75 taona any ho any vao hitovy amin’ny any Rwanda amin’izao ny fari-piainan’ny Malagasy raha tsy miova paikady, izay tena fampisaintsainana lalina. Miteny ho azy ny tarehimarika samihafa, fa hatreto aloha izany mihemotra i Madagasikara, izay isan’ny fositra goavana ny tsy fahaiza-mitantana. Mbola manan-kery hatrany ilay hoe : mahantra eo ambonin’ny harena, saingy mbola afaka manana fanantenana, fa afaka ny hihoatra an’izao zava-misy izao, saingy mila fitiavan-tanindrazana sy finiavana ara-politika mba ho tombotsoa ambonin’ny firenena fa tsy politika toa mampahantra vahoaka sy sehoseho ivelany misy ankehitriny. Ananantsika ny olona, ny tany, harena, ranomasina,… ary ireo no fanoitra voalohany ahahafantsika miala amin’ny fahantrana, fa kosa mila ampianarina sy beazina ny Malagasy hahatongavana amin’izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap