airtel

Politique

08-janv-2024

Tsy fahaiza-mitantan’ny TGV

Rendrika ny Jirama, potika ny fiharian’ny Malagasy

Sample post image

Atodin-gana miisa 110 no maty an-karanany tao anaty "couveuse" nanakotrehana azy omaly tany

08-janv-2024

Toamasina noho ny fahatapahan-jiro. Kivy sy ketraka ilay mpandraharaha vao misondrotra. », hoy vaovao avy any amin’ny Faritra Atsinanana ny sabotsy lasa teo. Porofo miharihary fa tena lasibatra tanteraka ny fihariana vokatry ny delestazy, ary saika manerana ny Nosy. Tsy voatery hanana fahefana hividy milina manokana na toby mpihary herinaratra amin’ny herin’ny masoandro ny rehetra, indrindra fa ny mpandraharaha madinika vao misondrotra.
POTIKA NY FIHARIANA
Potika ny fiharian’ny sokajin’olona antenantenany na « classe moyenne » mihary amin’ny herinaratra, ny sokajy tsy mampiasa an’izany ampanginina amin’ny jiron’akoho izay lasa dokam-barotra politika,… Tsy mihena fa vao mainka mitombo ny olana. Vao 20% amin’ny tokantrano Malagasy no misitraka herinaratra raha be indrindra, saingy tsy misy tsy handrenesana feo sy fitarainana manerana ny Nosy. Ny any Nosy Be, dia ny depiote IRD Rahasimanana Paul Bert na Rossy mihitsy no nampaneno lakolosy ny faran’ny herinandro teo, ka nilaza fa tsy voaloa ny vidin’ny gazoala raha ny firesaky ny mponina, hany ka dia tsy nisy jiro. Ny eto Antananarivo sy ny manodidina dia ny Raiamandrenim-piangonana mihitsy no manao fanairana raha ny tranga eny Ambodifahitra Ambohitrabiby. Ny any Atongona Imerintsiatosika efa tapa-bolana tsy nisy herinaratra intsony raha ny fitarainana,…Tena misy voka-dratsiny any amin’ny asa sy ny fitadiavam-bolan’ny olona ilay izy ary arakaraky nny maha ela ny fahitana ny vahaolana mahomby no mamampitombo hatrany ny fahavoazana
TSY FAHAIZA-MITANTANA
Mahita fialana olana foana ny Jirama, izay mety tsy manam-pidiny ihany koa fa voageja sy voafehy amin’ny lafiny maro. Na manodidina ny 300 miliara Ar isan-taona aza ny vola atonton’ny Fanjakana hanohanana ny Jirama, tombanana ho any amin’ny 3000 miliara Ar ny trosa tsy voaloany amin’ireo mpamatsy samihafa amin’ny resaka solika sy herinaratra, ary hatry ny ela no nisy fifandirana. Taratry ny tsy fahaiza-mintana io, talohan’ny fanonganam-panjakana 2009, nanana ambim-bava 64 miliara teo ho eo, fa izao tena lasa vary sy rano tsy misaraka ny TGV sy ny delestazy, miaraka amin’ny fahapotehan’ny Jirama miantraika amin’ny fihariam-bahoaka. Marina fa misy ny filazana fa hanangana toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ny distrika 46 saingy tokony ho voalanjalanja tsara ny toerana hametrahana izany, mba tsy hisy indray aoriana hoe : tsy dia nisy masoandro dia tsy ampy ny tosiky ny herinaratra. Aiza ho aiza ilay 400MW nampanantenaina sy nilazana fa tsy nahavita azy ny mpitondra nifanesy ? Mby aiza ireo fampanantenana toy ny nilazan’Atoa Andry Rajoelina tany Andekaleka ny janoary 2022 hoe : ho foana afaka 6 hatramin’ny 8 volana ny delestazy kanefa efa miditra taom-piasana faharoa na fahatelo koa delestaziny?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap