Atrikasa ho fanatsaranana paikadin-tserasera sy paikadim-panabeazana ireo mpifidy, latabatra boribory sy varavarana misokatra ho an’ny rehetra ho fampahafantarana ny drafitrasan’ny CENI 2022 – 2027 ary ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly no votoatin’izany, hoy ny fampitam-baovao ny sabotsy teo. Nanasana ny fiarahamonim-pirenena sy haino vaikijery, ireo antoko politika sy ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny antokom-pinoana samihafa ary ireo olobe sy solontenam-panjakana eto an-toerana izany. Manamafy hatrany ny CENI na ny vaomiera misahana ny fifidianana eto amintsika fa mila fifanomezan-tanan’ny rehetra sy fandraisana anjaran’ny mpisehatra tsy an-kanavaka ny fahombiazan’ny zotram-pifidianana ka anton’izao fidinana ifotony tanterahina izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara