airtel

Politique

15-mars-2024

Vizana tanteraka ny Madagascar Airlines

Fiaramanidina 2 tamin’ny 5 sisa, hanofa 2 vaovao hafa !

Sample post image

Nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia alina

15-mars-2024

teo ny fanomezana alalana ny Minisiteran’ny toearena sy ny fitantanam-bola handeha antoka na «garanties souveraines » amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny fifanarahana fampanofana fiaramanidina miisa 2 vaovao hampiasain’ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines avy amin’ny orinasa ACIA Aero Leasing. Nambara fa ity fifanarahana ity dia hahafahana mamita ny fifanarahana fampanofana alohan’ny fanasoniavana azy. Raha ny vaovao niparitaka hatry ny omaly moa, dia miisa 2 sisa ny fiaramananidina azo ampiasana amin'ireo ATR miisa 4 an'ny Madagascar Airlines tavela eto Madagasikara. Voalaza fa simba ary nasiam-panamboarana efa ho herintaona ny 2 tamin'izay ireo, ny iray fanindiminy kosa naverina tamin'ny mpampanofa ny alarobia teo. Tsy misy hatry ny ela ny fiaramanidin’ny kaompania nanao sidina iraisam-pirenena na « long courrier » fa nanofa, saingy tototry ny olana hatrany. Tanàna miisa 9 kosa no andehanan'ny Madagascar Airlines ho an’ny ato anatiny: Diégo, Sambava, Mahajanga, Toamasina, Sainte Marie, Maroantsetra, Toliara, Fort-Dauphin ary i Morondava.Tsiahivina hatrany, fa tao anatin’ny fitondran’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny taom-piasany farany teo no namoana tanteraka ny Air Madagascar rehefa bokan-trosa hatrany amin’ny 80 tapitrisa dolara. Nandeha ny fampanantenana zavon-tany, raha tsy hilaza afatsy ny fampanantenana tamin’ny andron’ny Minisitra Tinoka Roberto ny novambra 2021 fa efa eo am-panamboarana ireo fiaramanidina 2 lehibe manao sidina iraisam-pirenena, ary efa mandeha ny fampanofanana ireo ekipazy Malagasy hiantsoroka azy, ka afaka 4 volana dia hiasa sy hiodina ireo. Taty aoriana indray, dia nanaovana serasera nipoapoaka ny hividianana fiaramanidina Embrayer amin’ny Brezilianina, ary hatramin’ny filoham-pirenena no niresaka an’io, fa roa taona aty aoriana tsy hita izay eo. Tsy naharitra ela fa taorian’ny namonoana ny Air Madagascar, dia efa nivoaka ihany koa ny dosie ny jona 2023 nilaza fa efa bokan-trosa 34 tapitrisa dolara sahady ny Madagascar Airlines. Ampahany tamin’ny zava-nisy ireny, fa ny azo hamintinana azy, dia tsy nitsahatra niha vizana ny kaompania Malagasy taorian’ny 2009 toy ny nisian’ny fividianana fiaramanidina efa godraka tamin’ny tetezamita, ny fitantanana tsy manjary,… izay toa taratry ny fitantanana ankehitriny ny fahapotehan’ireo orinasam-panjakana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap