airtel

Politique

15-avril-2024

Voahangy Raharimanarivo

«Solombavambahoaka hiaro ny tombontsoam-pirenena izahay!»

Sample post image

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

15-avril-2024

teo ireo kandida depiote anatin’ny lisitry ny vondrona politika Firaisankina eny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Mitarika ity lisitra ity ny kandida, Voahangy Raharimanarivo. Manaraka azy ny ben’ny tanànan’Ampitatafika, Rado Ramparaoelina, sy Fanja Raharimanana ary Mamihery Ravalonomenjanahary. Fandio iray siny, hoy ny kandida Voahangy Raharimanarivo, tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Nandeha ny fanaratsiana rehetra fa hamafisiko eto hoe raha nandeha ny tolon’ireo depiote miisa 73 dia teo aho, hoy izy. Teo foana koa aho tamin’ny hetsika fotsy. Tsy nivadika tamin’ny antoko politika Tiako i Madagasikara aho. Tsy nivadika tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Miray fotokevitra aminy aho hatramin’izay ka hatramin’izao. Solombavambahoaka hiaro ny tombontsoam-pirenena izahay! Ho vanona sady vonona! Tsy ho voavidy vola fa hijoro amin’ny fahamarinana. Hiady amin’ny kolikoly. Hiady ho an’ny tombontsoam-pirenena fa tsy tombontsoa manokana. Ny tolona mbola tsy vita. Ny famaranana ny tolona dia io fifidianana solombavambahoaka io mba hahazoantsika ilay maro an’isa ka eto aho dia manentana ny rehetra, andao hiara-hiasa! Andao hiray hina hahazoantsika fandresena, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap