airtel

Politique

15-mai-2024

Politique

Vovonana politika ‘Lay Far Nivaky ho roa, nisy lasa niaraka amin-dRtoa Olga Rajoelina

Sample post image

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

15-mai-2024

Volana vitsivitsy lasa izay no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy Namontana ny fitsanganan’ny antoko politika Les Phares, izay ao anatin’ny Vovonana politika ‘Lay Far na ‘Lay fitiavana antsika rehetra, tarihin’ny filohany, Rafanomezantsoa Georges, ary nanamafy fa mijoro hatrany ho hery afovoany na «centriste» ary manana fotokevitra ho fanabeazam-boho ny lafiny sosialy sy mahaolona. Nanao fanambarana manokana kosa omaly ny antsoina hoe ‘Lay Far miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina fa mijoro hatrany izy ireo mandray anjara mavitrika miatrika ny raharaham-pirenena ary mifototra amin’ny lalan-tsaina miaro ny safidim-bahoaka. Adidy lehibe, hoy izy ireo, ny manao izay ahamari-toerana izao fitondrana izao amin’ny alalan’ny fahazoana maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena. Tsy vitan’ny fizahozahoana ara-politika eo amintsika antoko politika sy fikambanana maro samihafa mitovy fomba fijery manohana ny filoha Rajoelina sy ny fitondrana ankapobeny izany fa ilàna fanamafisan’orina fifankatiavana sy fiaraha-miasa feno fifanajana, feno fifandeferana mba tsy isika indray no hanao politika hanome vahana ireo mpifanandrina mpanohitra izao fanjakana izao. Ny fahendrena malagasy dia mitaiza antsika hanao akanga maro tsy vakin’amboa. Aoka isika tsy hanao fahadisoam-pamindra ara-politika fa tsy hitondra soa ho an’ny fitondrana niaraha-nametraka izany, hoy hatrany ny fanambarana. Nanamafy tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy 67ha, ankoatran’izay, ny filohan’ity ‘Lay Far miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina ity, Mamitiana Rakotoniaina, fa ambetin-teniny ihany koa nandritry ny fitsidiham-paritra nataony tany Moramanga sy Anosibe Anala ary Morafenobe vao tsy ela akory izay ny hoe tsy mivadi-belirano amin’ny filoha Andry Nirina Rajoelina ny ‘Lay Far miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina. Nilaza kosa tetsy ankilany ny filohan’ny ‘Lay Far, Rafanomezantsoa Georges, fa ho avy tsy ho ela ny fampahafantaran’izy ireo amin’ny haino aman-jery ireo tena mandrafitra marina izany vovonana izany mba hisorohana ny mety ho fisandohana. Azo lazaina ho nivaky 2 izany hatreto aloha ity vovonana politika ity mandra-piandry izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap