airtel

Politique

27-janv-2026

Zakahely Boniface

«Misy fandrika be ity resaka «intérim» ity»

Sample post image

période transitoire» na fotoana

27-janv-2026

iampitàna no voarakitra ao anaty lalàmpanorenana, hoy ny mpanao politika sady mpahay lalàna, Zakahely Boniface, fa tsy hoe «période intérimaire» na fisoloana toerana. Teto Madagasikara hatramin’ny andron’ny fitondràna Rajoelina moa rehefa miteny zavatra toy izany dia hoe mpanohitra. Ny tiako ho lazaina androany izany dia hoe mila apetraka mazava tsara ny atao hoe maha «Période transitoire» na «période intérimaire» ny andalovantsika amin’izao. Ity ny satan’ny tetezamita, tsy maintsy manova rafitra no dikany. Matoa misy ny tolona dia misy tanjona kendrena ho an’ny tanindrazana ao. 3 volana izay no nisian’ilay fitondràna ka tokony apetraka amin’izay hoe inona ilay fepetra? «Période intérimaire» izany tsinona tsy natao hanendrena olona fa natao hampandehanan-draharaha. Misy fandrika be izany ity resaka fisoloana toerana na hoe «intérim» ity raha ny fijeriko azy. Mila mametraka haingana ny fenitr’izao fitondràna izao marina izany ny fitondràna ankehitriny. Io izao misy hoe minisi-panjakàna misahana ny fanovàna. Hatramin’izao nefa tsy tazana hoe inona no nentina ary mitondra any amin’ny fanorenana ifotona na «refondation». Maha voadika an’izany ve ny hoe fanavaozana? «Refondation» izany mila fandravàna andrim-panjakàna rehetra. Ravàna ny lalàmpanorenana. Mbola anaty krizy i Madagasikara fa aza adino. Tsy mifanalavitra ny tamin’ny 2009 ny mitranga amin’izao. Na ny fampihavanam-pirenena aza tsy vita. Efa maro ireo nitondra takaitra no maty fa tsy mbola voahonitra ny fananany sy ny fiainany simba. Tsy misy zavatra mandeha eto raha tsy misy vola sy olombelona. Iza no olona afaka hanao fanorenana ifotony? Mila manangana ekipa vonona sy vanona aloha! Mbola ny nanilikilika tamin’ny fitondràna teo aloha ihany no hita anaty fitondràna amin’izao. Ny mpivadibadika ve no atao hoe mpitolona? Omaly TIM. Androany TGV. Rahampitso HVM. Izany ve no atao hoe mpitolona? Mila atao aloha ny fampihavanam-pirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap