airtel

Politique

23-févr-2024

Zo tsy azo henjehin’ny depiote Fetra

Tsy noraisina ny fitoriana, niala bala ny HCC…

Sample post image

Tsy noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena na ny HCC ny fitoriana,

23-févr-2024

fampahafantarana ny maha tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny fisamborana ny Depiote Fetra Ralambozafimbololona, izay nosamborin’ny Fanjakana ny 08 novambra 2023, noho ny filazana azy ho nanao fitarihan’olona hanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. Nisy ny fangatahana ny hevitry ny HCC nataon’ny mpisolovava, ary nandrasan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany mialohan’ny hamoahana ny didy mikasika ity depiote sady Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM, izay tokony ho amin’ny 12 martsa ho avy izao. Anton’ny fangatahana ny fisian’ny fepetra voalazan’ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana manao hoe : « Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tànana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsa-bato nataony teo am-panaovana ny asany. Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan'ny fotoam-pivoriana, raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Biraon'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alàlana na ny fanamelohana tanteraka,…». Nambara fa ny fitsirihana ataon’ny HCC dia tsy mihatra raha tsy amin’ny zava-mitranga manana endrika lalàna na fitsipika. Milaza ny HCC fa fangatahana ny fahitan’ny HCC ny fandikana ny voafaritry ny lalàmpanorenana no nangatahana, ka nailika tany amin’ny hoe : ny filohana andrim-panjakana sy ny avy amin’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no afaka manao izany,… Andrasana izany ny ho fandehan’ny didy mikasika ity depiote ity taorian’ny karazan’ny fialan’ny HCC bala mikasika ny raharaha momba azy. Ny olom-panjakana sasany izay efa nanitrikitrika fa tsy tratra ambodiomby, ary tsy misy hidiran’ny « immunité parlementaire ». Ao anatin’ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana depiote no miseho, ka hirotsaka ve ny didy politika mety hanana endrika sakana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap