Sampana iray eo anivon’ny primatiora ny Birao nasionaly misahana ny famarinana olombelona na BNLTEH, hoy ny fampahatsiahivan’ny tale jeneraly misahana azy, Eric Randriamiharisoa, nandritry ny fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny ady amin’ny famarinana olombelona tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo omaly. Ny BNLTEH, hoy izy, no mandrindra ny ady amin’ny famarinana olombelona anivon’ny minisitera tsirairay avy. Na dia vao taona vitsy aza no niorenany dia isan’ny asa vita ny fahafahana manao tatitra isan-taona momba ity ady ity. Tanjona isan’ny lehibe napetraka ny fivoahàn’i Madagasikara anaty lisitra volombatolalaka na lisitra natao ho araha-maso ary matoa izany tanjona izany no tratra dia noho ny ezaky ny minisitera tsirairay sy ireo mpisehatra rehetra miaraka amin’ny BNLTEH. Napetraky ny fitondràm-panjakàna anatin’ny sehatry ny ady amin’ny kolikoly sy famotsiam-bola iraisampirenena ny ady amin’ny famarinana olona. Manokatra tsikelikely ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisampirenena isika. Isan’izany ny avy amin’ny masoivohon’i Chine. Ny amerikanina efa teo. Natsangan’ny governemanta ny «task force» na hery manokana miady amin’ny famarinana olona. Lohahevitra iraisampirenena iarahana amin’ny firenena mikambana tamin’ity moa ny hoe «Voafandrika anaty heloka ana habaka». Tena mandray ho zava-dehibe ity ady ity ny fitondràm-panjakàna. Eny anivon’ny antenimieram-pirenena izao ny volavolan-dalàna mikasika ny ady amin’ny famarinana olombelona. Efa nandalo fandinihana izy io ary tohanan’ny minisiteran’ny fitsaràna. Efa nandalo adihevitra teo anivon’ny antenimiera. Mifandray mivantana amin’ny antenimieram-pirenena ny praiminisitra ahafahana manatanteraka io volavolàn-dalàna io. Heverina fa ho lany amin’ity taona ity ny tolo-dalàna ary heverina ihany koa aorian’izay fahalanian’ny lalàna izay dia hisy ny fanavaozana ny ady amin’ny famarinana olombelona mba hifandraika kokoa amin’ny lalàna vao ho fidiana. Ho hamafisina kokoa ny sazin’ireo mpanao heloka. Ho jerena kokoa ny mikasika ireo niharàm-boina. Isan’ny ho ampidirina anaty lalàna vaovao ny mikasika ny heloka ana habaka. Ho ampidirina anaty politika isan-tsehatra na «politique sectorielle» ny momba ny famarinana olombelona. Isany, ohatra, ny mikasika ny zaza sy ny vehivavy. Eo koa ny hoe ahoana ny fiantraikan’ny fiovàn’ny toetr’andro amin’ny famarinana olombelona? Ireo dia mahakasika indrindra ny famarinana olombelona anatin’i Madagasikara, indrindra, ho fiarovana ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny BNLTEH. Nanamafy kosa tetsy ankilany ny minisitry ny fitsaràna, Fanirisoa Ernaivo, fa efa miara-miasa amina sehatra iraisampirenena samihafa i Madagasikara amin’izao fotoana izao mikasika ity raharaha ity. Isany, ohatra, hoy izy, ny Vondrona afrikanina, izay manampy amin’ny fampodiana ireo niharan’ny famarinana olona aty Afrika. Ny OIM na Sampana iraisampirenena momba ny fifindrà-monina, ny ambasadin’i Chine, ireo firenena aziatika samihafa, ny maro hafa tsy voatanisa. An-tapitrisa Dolara no vola miodina amin’ny famarinana olombelona, indrindra, amin’ny alalan’ny antsoina hoe «cyber arnaque» na «online scaming», izay fisolokiana amin’ny alalan’ireo tambazotran-tserasera. Efa isan’ny asa atao ankehitriny ny fampahafantarana ny fitrangan’ity asa ratsy ity, ny fampitomboana ny harinkarem-pirenena mba hahatamàna ny malagasy eto amin’ny taniny ka tsy ho voasarik’ireny tolotr’asa mifono fitaka any ivelany ireny, ny fampiasàna ny tekinolojia ahafantarana ny misy ny tsirairay sy ny maro samihafa, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija