airtel

Sosialy

31-mai-2023

Sosialy

Ady tany ao Morombe Raikitra ny fifanolanan’ny FIMA sy ny CAT

Sample post image

Velarantany manana ny toerany ny lemaky i Mangoky raha sopitra fambolem-bary eto Madagasikara no resahana, hoy ny fampitam-baovao voaray.

31-mai-2023

Mirefy 3.300 Hektara no velarantany nasiam-panajariana taty aoriana mba ho fanitarana izany, izay ao amin'ny kaominina Morombe sy Ambahikily ary Tanandava station, distrikan'i Morombe avokoa, hoy ny fanazavana nifarimbonan’ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Rehefa natao ny fotodrafitrasa fampidiran-drano sy ny lalana fivoaham-bokatra dia lasa ho 2.800 hektara no velarantany sisa azo volena, hoy izy ireo. Ny fangatahana voarain'ny komity mpizara kosa dia 1.600, izay fangatahana manokana avy amin'ny mpanamaintimolaly, ankoatry ny taratasy fangatahana vaovao miisa 17.700. Manan-jo ny malagasy rehetra hisitraka izany tany izany rehefa mahafeno ny fepetra. Ny taona 2014 mialohan'ny fanajariana izay kasaina hatao ity izay niarahana tamin'ny «Projet d'Extension du Périmètre de Bas Mangoky» dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana tamin'izany fa tsy misy olona afaka mikitika ireo tany ireo ary fantatra tamin'izany fa 2% n'ny tany io ihany no nisy nampiasa dia ireo antsoina hoe mpanamaintimolaly. Amin'izao fotoana izao dia vita tanteraka ny fanajariana io tany 2.800 hektara io ka rehefa natao indray ny fanadihadiana dia ny 80%n'ny tany no voalaza nisy nanamaintimolaly, ny 51% n'ireo no nahitana fifanarahana ara-barotra ary ny 1%n'izany no nahavita bokin-tany na «titre» ankehitriny. Nanapakevitra ny nampihatra ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny taona 2014 ny tomponandraikitra amin'izao. Misy amin'ireo olona nandika lalàna izay voalaza fa nividy atsokosoko sy milaza fa tompon'ny tany ireo anefa no manely tsaho ankehitriny fa tsy ara-dalàna ny fizarana ny tany izay efa mizotra an-tsakany sy an-davany amin'izao. Tsy misy na iza na iza no afaka mandrindra ny fizarana io tany io akoatry ny komity najoro manokana hisahana izany dia ny CAT «Comité d'Attribution de Terres» izay ahitana mpikambana maromaro toy ny ben'ny tanàna, ny lehiben'ny fokontany sy ny lefiny, ny filohan'ny Dinabe, ny solontenan'ny raimandreny miisa 3 isaky ny fokontany, ireo mpikambana mpikirakira mivantana izay antsoina hoe CAT Opérationnel. Mpikambana ao anatin'io CAT io ihany koa ny governora sy Prefe, ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana, ny talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny «domaine» sy ny «topo» ary nezahina nampandraisana anjara amin'ny andraikitra avokoa ny sampan-draharaha toy Bianco sy maro hafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Raikitra araka izany ny fifanolanana eo amin’ny Fikambanana Misikoro Arivolahy sy ity komity ity.
J. Mirija
( Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique