airtel

Sosialy

11-mai-2023

Sosialy

Akanjo mafana Niakatra 5% ny vidiny eny an-tsena

Sample post image

Efa saika manomana vola hatokana hividianana akanjo mafana avokoa ny isan-tokantrano amin’izao hiatrehana ny vani-potoanan’ny ririnina.

11-mai-2023

Samy manana ny vidiny avokoa izy ireny amin’ny ankapobeny saingy ny tsikaritra dia niakatra 5% ny vidiny raha oharina tamin’ny taon-dasa, indrindra fa ho an’ireo vaovao. Ho an’ny blouson natokana ho an’ny lehilahy ohatra raha 60.000 Ar ny iray amin’ireo mba tsaratsara kalitao tamin’ny taona 2023 dia lasa 67.000 Ar ankehitriny. ..Nahitaka fiakarany tahaka izany ihany koa ny pataloha jean izay lasa 50.000 Ar ihany koa ny iray ho an’ny lehilahy raha mbola nahazo 40.000 Ar tamin’ny taon-dasa. Raha araka ny nambaran’ireo mpivarotra dia hatrany am-potony fakana ny entana mihitsy no nampiakatra izany raha teo ihany koa ireo karazana olana maro samihafa nampihitsoka ny entana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina….Mbola azo hiorirana kosa anefa ireo pataloha na akanjo mafana friperie izany hoe : ireo efa avy nampiasaina tany ivelany. Manomboka amin’ny 7.000 Ar mantsy dia efa mahazo akanjo ba mafana iray ho an’ny olon-dehibe raha 5.000 Ar ny an’ny ankizy. Mitobaka be rahateo izy ireny eny an-tsena no sady maro azo hisafidianana. Na izany aza dia nanambara ireo mpivarotra fa mbola tsy tena mahafa-po ny tsena. Ireo mpanontany no betsaka indrindra fa ho an’ireo mivarotra kanjo vaovao.

Pati
 

Dans la même rubrique

28-sept-2023

Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na

Card image cap
28-sept-2023

Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony

Card image cap