Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nandondona tao am-bavahady izy io mba hitady asa, hono. Raha vantany vao tafaresaka tamin’’ilay tompon-trano anefa izy dia torana. Nahatsapa araka izany ny tompon-trano fa mety ho noana ity vehivavy ity, somary nifandimby rahateo ny hafanana sy ny orana omaly niampy ny dian-tongotra ka nomen’izy ireo lasopy. Tsy mbola fantatra na hita moa ny fianakavian’ity vehivavy ity hoy ny vaovao. Fantatra kosa anefa fa ao Ifarihy izy no mipetraka. Navela naka aina moa izy taorian’izany mba hahazoany ainy hahafahany miverina any an-tokantranony indray. Marihina fa miha betsaka ireo olona mitady asa tahaka izao eto amintsika. Tsy vitsy amin’izy ireo no mandeha dia an-tongotra no sady tsy misakafo, antony mahatonga ny sasany ho torana tahaka izao, tranga izay mety hamoizana ny aina tampoka mihitsy.
Nangonin’i Pati