airtel

Sosialy

12-juin-2023

Sosialy

Ambohidratrimo Adin’ny 2 isaky ny 10 andro no mba mandeha ny rano

Sample post image

Velon-taraina mafy ireo mpanjifa ny ranon’ny JIRAMA ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Raha araka ny

12-juin-2023

loharanom-baovao voaray avy any an-toerana mantsy dia adin’ny 2 isaky ny 10 andro sisa no mba mandeha ny rano amin’ny paompy eny amin’iny faritra iny. Tsy fantatra mazava izay anton’izany raha araka ny fanazavan’ny mponina. Nohamafisin’ireto farany anefa fa tsy tara mihitsy ny JIRAMA rehefa hanatitra faktiora. Tsy maintsy tonga hatrany izany isaky ny fotoana tokony hahatongavany ary tsy maintsy aloha ihany koa fa raha vantany vao tara dia rano lava ny filazana fa ho tapaka. Lasa hanihanin’ireo mponina eny an-toerana araka izany ny hoe : tokony mba hoadinon’ny JIRAMA koa ny faktiora rehefa adinony ny mandrindra ny fandehanan’ny rano ho an’ireo tokantrano isanisany mandoa vola isam-bolana. Lasa miaina amin’ny fakana rano eny amin’ny vovon-drano avokoa moa ireo mponina eny an-toerana noho izany raha tsy vitsy ireo lasa manana tetikasa hanamboatra fatsakana tampoka ho an’ireo mbola manana tokontany malalaka.
(Sary fanehoana)
Pati
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap
11-juin-2025

Efa tsy ara-dalana intsony ny fomba fiainan’ny Malagasy sy ny fisainany ankehitriny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association

Card image cap