airtel

Sosialy

11-juin-2025

ASSOCIATION AHMADIYYA DE MADAGASCAR

Nizara sakafo ho an'olona 4000 isa

Sample post image

Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association

11-juin-2025

Ahmadiyya Musulmane de Madagascar etsy Andavamamba. Nankalaza io fety io izy ireo ny faran'ny herinandro teo izay nahatsiarovany manokana ny nanaovan'ny mpaminany Abrahama sorona ny zanany lahy Ismaela ho an'Andriamanitra. Hataon'ireo mpino Slamo maodely mandraka ankehitriny izany amin'ny alalan'ny fizarana ho an'ny hafa indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana. Omby miisa 29 no novonoin'izy ireo tamin'izany, notsinjaraina ho an'olona miisa 4000. Anisan'ny nahazo tombontsoa tamin'izany ireo mponina avy ao Anosipatrana, Anosibe, Andavamamba, 67 ha ...raha toraka izany koa ny tany amin'ny Faritany. Teny filamatry ny fikambanana moa ny hoe : fitiavana ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza ka nahafahany nizara izao fanampiana izao. Hena 02 kg isanisany teo no nozaraina tamin'izany, ampy niatrehan'ny isan-tokantrano ny Fetin'ny Pentekosta tsara. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ireo vahoaka marobe izany fanampiana izany. Mitohy hatrany ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona ho an'ity fikambanana iray ity.
Pati
Légende : Nisomebiseby tahaka izao ny mpizara !
 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

Hifampitadiavanabe ny saribao sy ny

Card image cap