airtel

Sosialy

08-nov-2022

Sosialy

AMPASIKA Mitaraina ho tsy mahita asa intsony ireo mpanasa lamba

Sample post image

Efa ho roa volana mahery izao no tsy nahita asa fivelomana intsony ireo mpanasa lamba etsy amin’ny ranon’Ikopa mandalo etsy Ampasika sy Anosizato.

08-nov-2022

Manodidina ny 1000 mahery anefa ny isan’izy ireo miaraka amin’ny mpanao biriky izay marihina fa mamelom-bady aman-janaka avokoa. Vokatry ny asa fanajariana hatao amin’iny fefiloha iny no anton’izany hisorohana ny mety ho fihotsahan’ny tany tampoka mandritra ny fotoam-pahavaratra. Nisy araka izany ny fanonerana nomena azy ireo izay fantatra ihany koa fa indray mandeha ihany, niarahana tamin’ny Produir. Manodidina ny 900 mahery eo ho eo ireo efa nahazo ny anjarany raha mbola mihoatra ny 100 kosa ireo voalaza fa mbola tsy nahazo izany. Nambaran’ny Renim-pianakaviana iray mivelona amin’io asa io ary fa tokony hisy mihitsy ny fanampiana maharitra omena azy ireo. Efa tsy mandeha firy intsony mantsy koa mantsy ity asa ity amin’izao noho ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Aleon’ireo olona manasa tsikelikely isan-kariva toy izay handoa vola amin’ny mpanasa lamba izay mahatratra 5.000 Ar isan-kerinandro raha kely raha vantany vao mitoby ny lamba maloto. Ny tena mampanahy amin’ny sehatra tahaka itony moa dia ahiana hanaotao foana avokoa ny ankamaroan’ireo olona tsy an’asa ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana akaiky. Tsara rahateo raha fintana hanjonoana trondro no omena ny olona iray fa tsy trondro avy hatrany.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap