airtel

Sosialy

08-juin-2023

Sosialy

Andavanandron’Antananarivo Jiro sy rano tsy tomombana, fifamoivoizana mitohana

Sample post image

Ny jiro sy rano, ny herinaratra sy ny rano moa izany no marimarina kokoa, efa tsy tomombana hatramin’izao,

08-juin-2023

raha ny fitarainana heno sesilany teto Antananarivo renivohitra omaly.Mba hiala tohamboivoy na «embouteillage» Ankorondrano sy Analakely dia nitsofoka Ampasampito, hoy ny mpampiasa lalana iray, vao maika nitohana indray omaly tokony tany amin’ny 7 ora maraina tany ho any. Mbola tsy nifanalavitra an’izay koa no nitranga tamin’iny Analakely nihazo an’i Behoririka ho any Amboditsiry iny, ny tolakandron’io, raha ny fitantaran’ny mpandeha amina zotra fitateram-bahoaka iray. Ora 2 mahery, hoy ity farany, vao tonga tany amin’ny anton-dia nefa andro efa tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro tany ho any. Ny jiro sy rano izany efa tsy tomombana, ny fifamoivoizana koa tsy mitsahatra mitohana. Ny olona miha reraka, reraky ny asa, reraky ny fahasaahirana, reraky ny tsy fahampiana, reraky ny rivotra sy tontolo iainana maloto. Hisy famokarana mampandroso azo antenaina ve ao anatin’izany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap
19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap