airtel

Sosialy

07-oct-2026

ANDRAMASINA

Nidina hatrany amin’ny

Sample post image

300 Ar ny iray kilao amin’ny ovy

07-oct-2026

Mafy ny mahazo ireo tantsaha mpamokatra ovy any amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka Alakamisy, distrikan’Andramasina. Tafiditra hatrany amin’ny 300 Ar ka hatrany amin’ny 500 Ar mantsy ny iray kilao amin’ny ovy amin’izao eny ifotony raha 1.000 Ar eny an-tsena. Nitontongana tanteraka ny vidim-bokatra hoy ireo tantsaha mpamokatra noho ny antony maro. Anisan’izany ny haratsian-dalana ka mampahalaina ireo mpanangom-bokatra. Toraka izany koa ny ahiahy ny amin’ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana. Eo an-danin’izay anefa dia tena vidiana lafo tokoa ny fitaovam-pamokarana sy ireo zezika, hoy hatrany ny fitarainan’ireo mpamboly. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany izy ireo mba hijery akaiky izany olana goavana sedrainy izany. Mety tsy hahavelona ny ankohonany intsony mantsy izy ireo raha mitohy izao, indrindra fa ny fampianaran-janaka sy ny fitsaboan-tsena raha sanatria ka marary. Tsiahivina moa fa 3 volana eo ho eo ny fotoana lanin’ny tantsaha mpamokatra amin’ny fambolena ovy. 2.000 ka hatramin’ny 3.000 Ar kosa ny vidin’ny iray kilao amin’izao eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Pati
Legende : Maty antoka ireo tantsaha mpamokatra ovy any Andramasina noho ny fitontongan’ny vidiny !
 

Dans la même rubrique

07-oct-2026

Manodidina ny 50% eo ho eo

Card image cap
06-oct-2026

Manomboka ny asa fanadiovana ireo tata-drano

Card image cap