Firenena manana tany mamokatra i Madagasikara, hoy ny mpandraharaha ara-tsakafo, Dany Rakotoson, naneho ny heviny nandritry ny andro iraisampirenena ho an’ny sakafo omaly. Ny olana, hoy izy, dia ny fahafahana manatsara izay vokatra izay manaraka ny tekinolojia, indrindra, ny fisian’ny fampiasam-bola ahatonga ireo mpamboly hiroso hatrany amin’ny sehatra maha matihanina. Betsaka ny vokatra hitantsika eny an-dalana saingy tsy ampy hanjifàna loatra ny fahefa-mividin’ny olona. Mbola mahantra ilay vahoaka. Im-piry nampanantena moa ireo fitondràm-panjakàna tany aloha hoe hiezaka hanatsara ny famokarantsika isika? Midika izay fa nanaovana resaka foana ilay izy saingy hatramin’izao aloha dia mbola tsy mipaika amin’ny fiainam-bahoaka mba hanatsaràna koa ilay fahavitàn-tena ara-tsakafo. Fahavitan-tena ara-tsakafo moa no tena tanjona ary indrindra fahavitan-tena ara-tsakafo mifanaraka amin’ny tena sahaza fa tsy mameno kibo an-tsena fotsiny ny ankamaroany noho ilay tsy fisiana fahefa-mividy. Ambony be raha ny fenitra iraisampirenena eo amin’ny tontolon’ny sakafo no resahina satria hitantsika ireny zava-niseho teny Ambohimalaza sy ny tariny ireny hoe tsy voafehintsika mihitsy ilay izy. Zavatra tsy tokony hisy mihitsy ireny. Ny mampalahelo foana amin’ny sehatra eto amintsika dia matetika resaka asa vonjitavanandro foana no ataon’ny minisitera. Matoa mipoitra ireny dia tsy misy fampianarana sy tantsoroka hanampiana ilay mpandraharaha. Marobe ny mpisehatra tsy matihanina anatin’ilay resaka fanaovana sakafo. Hitantsika ireny ny tsy fahadiovana fa tsy misy politika mazava mipetraka mihitsy mikasika ny fanatsaràna ny fahefa-mividy nefa ny fahefa-mividy tsara no ahafahana manatsara kalitao. Ny fanajàna fenitra misy eto amin’izao dia ny fahendren’ilay olona mikarakara sakafo fotsiny angamba. Ny nataon’ireo avy amin’ny fitondràm-panjakàna dia asa vonjitavanandro toy ireny hitantsika hatramin’izay ireny hoe nidina ifotony, hono, ny avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny tahaka izany. Ny fikambanan’ny mpisehatra amin’ny fampiantranoina sy sakafo izao no miezaka manome fiofanana ireo gargoty sy mpandraharaha madinika ara-tsakafo mba tsy hisian’izay olana mitranga izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija