Ankizivavy iray 16 taona no nentin'olona tsara sitrapo teny anivon'ny Kaomisaria ao Maevatanana, ny Zoma 31 Jolay 2026, taorian'ny nahitana azy nirenireny tao Morafenokely, Maevatanana, araka ny tatitty ny mpitandro filaminana. Niasa an-trano tao amin'olona iray ilay ankizivavy saingy tsy tamana tao intsony, ka nanapa-kevitra ny hody any amin'ny fianakaviany. Rehefa hitan'olona nirenireny anefa izy dia nentina avy hatrany tany amin'ny Polisy mba handraisana ny fepetra sahaza. Noho ny tsy fisian'olona afaka nandray azy tamin'io alina io, noraisin'ny Polisimpirenena, tamin'ny alalan'ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) Maevatanana, an-tanana vonjimaika ilay ankizivavy mba fiarovana azy. Ny 02 Aogositra 2026, rehefa vita ny fandrindrana rehetra, dia nalefa tamin'ny taksiborosy izy ho any amin'ny fianakaviany ao Ambovombe Manandriana, taorian'ny fandrindrana sy ny fepetra rehetra nataon'ny Polisimpirenena, hoy hatrany ny tatitra. Asa manao ahoana ny andraikitry ny mpampiasa na izy tenany eo anatrehan’izao fihetsika izao ? Tsy vita tamin’ny fifampiresahana ve mba hisorohana ny sanatria zavatra tsy ampoizina mety hitranga indrindra eo anatrehan’ny fisian’ny olona manjavona sy maty ?
Nangonin’i Toky R