Vaka ity renim-pianakaviana iray monina eny Ambohimirary ity raha nanazava fa nanodidina ny 600.000 ariary hatrany teo aloha ny fitambaran’ny hetran-tranony sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy. Ity farany izao ity anefa dia lasa 400.000 ariary mahery be izao ny anjarany samirery. Velon-taraina noho ny tranga mitovitovy amin’izany koa ireo tompon-trano eny amin’iny Amboditsiry sy ny manodidina iny, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Miandry fatratra ny fanazavana avy eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra mikasika izao fidanganana izao, noho izany, izy ireo. Fanontaniana goavana mipetraka koa anefa etsy ankilan’izay ny hoe kajy diso ve sa tena izy izy ity ?
J. Mirija
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,