Tetikasa natao indrindra hiarovana ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra izy io, tohanan’ny Organisation Internationale du travail vola raha ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny Ministeran’ny asa kosa no mifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany. Taorian’ny nahatongavan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika mantsy dia nahatsapa ireo mpamatsy vola fa tafiditra tao anaty fahasahiranana tanteraka i Madagasikara. Toraka izany koa ny mponina ka tsy nisy firy intsony ireo tetikasa nandeha. Teo an-daniny anefa dia mitohy hatrany ireo fahazaran-dratsy amin’ny fiainana andavanandro iainan’ny mponina toy ny fanariana harona sachet plastika any anaty tata-drano, ireo fako isan-tsokajiny….izay ahiana hiteraka tondra-drano. Raha sanatria ka misy tokoa mantsy izany dia hivarina any amin’ny lemak’Antananarivo avokoa ireny rano maloto ireny ary hanimba indray ny fambolena izay efa hilofosan’ny mponina mafy. Vokany, sady ho tondraky ny rano ny tanana no ho potika ihany koa ny asa fihariana raha sanatria ka tsy voafehy izany. Mitentina 350 tapitrisa Ar moa ny lelavola holaniana amin’ity asa fanadiovana lakandrano eto an-drenivohitra ity haharitra am-bolana. Lemaka fambolem-bary mirefy 3000 ha kosa noo ho voaaro raha vita soa aman-tsara ny fanadiovana io lakan-drano miainga etsy Ankadimbahoaka ka hatreny Ankadikely Ilafy io.
Pati
Legende : Raikitra ny asa fanadiovana ireo lakan-drano eto an-drenivohitra
Hanokatra ny fankalazana ny faha-10 taonany ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny