miara-matory amin’ny biby toy ny alika sy ny omby mihitsy ny sasany dia tsy lazaina intsony ny etsy Ampefiloha, Analakely, Tsaralalana…Zaza amam-behivavy ny ankamaroan’izy ireo izay fantatra fa tsy nahaloa hofantrano avokoa ny ankamaroany ankoatra ireo very asa. Mamonjy ireny seza fipetrapetrahana fiandrasana taxibe ireny izy ireo noho izany raha vantany vao harivariva ny andro ary mamelatra baoritra mba hatoriana. Tsy mitsangana izy ireo raha tsy amin’ny 09 ora maraina any ho any noho ny hatsiaka nihinana azy ireo nandritra ny alina raha ny nambaran’ny Renim-pianakaviana iray. Misy kosa ireo mahavita manangana trano sachet kely mihitsy noho ny hatsiaka diso tafahoatra toy ny zavatra hita eny amin’ny fiakarambe miazo an’Antaninarenina iny. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia anisan’ny mampitombo ireo ankizy mpangataka eto an-drenivohitra ny fisian’izy ireny. Tsy misy mianatra mantsy ireny tsy manan-tsiny ireny hany ka hampiasain-dRay aman-dReniny mba hanampy azy hamelona ny tenany sy ny ankohonany ihany koa. Lasa miahotra sy matahotra ireo mpiandry taxibe sy mpandeha an-tongotra noho izany. Manampy trotraka izany ny loto sy ny fofona eny amin’ireny toerana ireny izay tokony hojeren’ny kaominina Antananarivo renivohitra akaiky miaraka amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana sosialy.
Pati
(Tahirin-tsary)
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy