airtel

Sosialy

25-oct-2023

Antananarivo Renivohitra

Mitombo isan’andro ireo ankizy lasa mpangataka

Sample post image

Ny 30%-n’ny Malagasy sisa raha betsaka no mihinana sakafo in-telo isan’andro amin’izao.

25-oct-2023

Ny 70% dia indray mandeha isan’andro sisa vokatry ny fahasahiranana ateraky ny fidangan’ny vidim-piainana. Ferana ho 3 kapoaka isaky ny mandrotsaka ihany koa izany raha betsaka indrindra noho ny fiakaran’ny vidin’ny vary iray kapoaka izay efa mahatratra 1.000 Ar. Anisan’ny antony mampitombo isa isan’andro ireo ankizikely mpangataka eto an-drenivohitra io raha araka ny fanadihadiana natao. Alefan’ireo Ray aman-dReny mangataka ny zanany sitrany ahay mampidi-bola. Afaka amin’ny sakafo maraina sy atoandro ihany koa izy ireny fa ny hariva sisa no tsy maintsy hatrehina. Vao mahay miteny mangata-bola ilay zaza dia efa alefan’ireo nahitany masoandro mandehandeha eny rehetra eny. Manodidina an’Ampefiloha, Anosy, Mahamasina, Analakely,… no tena ahitana betsaka azy ireny izay efa tena fetsy ihany koa ny ankamaroany. Mody mangataka eny rehetra eny amin’ny atoandro toy ny eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe, ireo toerana misy tsena sy biraom-panjakana…Raha vantany vao manakaiky kosa ny amin’ny 12 ora atoandro dia eny amin’ireo hotely fivarotana sakafo masaka ny ankamaroany no mitangorona miandry ny sisan’ireo mpihinana sakafo atoandro na koa mangata-bola ihany, sitrany ahay. Mbola manan-jo ny hianatra, hotafiana ary homen-kanina anefa ireny ankizy madinika. Noho ny hasarotan’ny fiainana anefa dia ny mifanohitra amin’izany no hita sy misy eto amintsika raha tsy mahalala mandray ny andraikiny ihany koa ny Fitondram-panjakana fa mitazam-potsiny na dia misy aza ny Ministera voatokana hisahana izany.
Pati
Legende : Misy amin’ireo ankizikely no tsy mangataka fa miasa sahady na marary tratry ny aretina lefakozatra toa an’i Tiasoakely !
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap
19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap