hatrany ny eny Besarety, Boriborintany fahatelo raha vantany vao avy ny orana. Hatrany am-balahana ny rano ka voatery mitaingin-tsarety ny mpiasa sy ny mpianatra rehefa hivoaka ny trano. Tsy lazaina intsony ny aretina ateraky ny rano miandrona toy ny kohoka, ny sery, ny tongotra masaka....Fa ny tena atahoran'ireo mponina mafy dia ny mety hisian'ny trano mianjera tampoka ka mety hahafaty olona. Hifandimbiasan'ny rano sy ny hafanana mantsy ny vodintrano ka tsy hahazaka izany rehefa ela ny ela. Nambaran'ny sefom-pokontany Ratsarafara Jackot anefa fa vokatry ny hataon'ny mponina ihany no mahatonga ny tata-drano eny Besarety ho tsentsina. Saika manary fako amin'ny toerana saro-pady tahaka izany avokoa mantsy izy ireo. Rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao vao mijinja ny ngidiny ka na ireo maloto avy any amin'ny trano fivoahana aza lasa mitsingevana eny rehetra eny. Fanentanana sy toro-hevitra araka izany no tokony hatao amin'ireo mponina eny Besarety hisorohana azy ireo tsy handrora mitsilany tahaka izao. Ankoatra ireto farany dia anisan'ny mitondra faisana vokatry ny ranon'orana koa ny mponina eny amin'ny 67 ha ambadiky ny orinasa JIRAMA, ny eny Manarintsoa Isotry, Andranomanalina....
Pati
Légende : Ranobe tahaka izao hatrany ny eny Besarety raha vantany vao avy ny orana !