airtel

Sosialy

12-juin-2026

Betafo

Misy fonja fa tsy manana Lapan'ny Fitsarana Mangataka ny hanangana

Sample post image

Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI)

12-juin-2026

ao Betafo ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ity Distrika ity, Randriatahonamalala Livasoa. Midadasika ny Distrikan'i Betafo, hoy izy, sady efa misy Kaomisaria ny Polisy, manana tobin'ny Zandarimaria, ahitana fonja fa kosa tsy misy Tribonaly. Ny zava-misy hatreto rahateo dia ny TPI Antsirabe no itambaran'ny Distrika Antsirabe I, Antsirabe II, Faratsiho, Betafo ary Mandoto ; ny TPI Ambatolampy no itambaran'ny Distrika Ambatolampy sy Antanifotsy. "Koa itambaran’ny vahoakan’ny Distrikan'i Betafo sy Mandoto ny fangatahana hananganana Tribonaly ao Betafo io", hoy ny depiote Livasoa. Nangataka ny hanatanterahana ny tetikasa barazin-drano ao amin’ny Fokontany Marotsiraka, an’ny Fikambanana FITAMIFI ihany koa ity olomboafidy ity. Voarakitra ao anatin'ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026 izy io. Nangataka ny mba hanomezana masomboly sy zezika ny vahoakan’i Betafo izay mpamboly avokoa ny 90 isan-jato koa izy. Manana olana ny vahoakan'i Betafo mahakasika ny FIB (Fiche individuelle de Bovin) ka nanaitra ny mba hijerena vahaolana momba izany. Nangataka mba hanorenana abatoara ao Betafo tampon-tanàna ihany koa ny tenany satria efa tena antitra sy ilaozan’ny toetr’andro ny misy ao amin’izao fotoana. Toy izany koa ny hijerena vahaolana maika momba ny fitantanana ny rano ao Betafo tampon-tanàna, satria misy Fokontany toa an' Ambohinaorina tsy mety mahazo rano hatramin'izao. Niantefa tamin'ny Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Fambolena sy fahavitan-tena ara-tsakafo ary koa ny Minisitry ny rano sy ny fanadiovana ireo fangatahany ireo nandritra ny fifanatrehan'ny solombavambahoaka tamin'ireo mambra ny governemanta tao amin’ny lapan’ny Antenimierampirenana ny Talata 09 Jona teo.
Jean D.
Fandraisam-pitenenan'ny depiote Randriatahonamalala Livasoa tao Tsimbazaza ny Talata teo
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

Card image cap
07-août-2026

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

Card image cap
07-août-2026

azo volena no voatondraka rano

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap