mitohy ny fanaraha-maso hentitra sy ny fanagiazana ireo hena voahodina na « charcuterie » ahiana hampidi-doza. Nanatanteraka ny toromariky ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON ireo kaomisera sy mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana ny faran’ny herinandro teo, ka vao maraina izy ireo dia efa nidina teny amin’ireo toeram-pivarotana lehibe (Grandes surfaces) teto Antananarivo toy ny teny Tanjombato, Talatamaty, Antsahabe sy tany amin’ny Faritra samihafa manerana ny Nosy. Tao amin’ny toeram-pivarotana lehibe iray teto Antananarivo dia nahafeno 7 sarety fiantsenana (caddy) ireo hena voahodina nogiazana ireo. Tsy azo kitihina ireo entana ireo. Ny valin’ny fitiliana no hamaritra izay hanaovana azy, na ho averina eny amin’ny toerana nasiana azy ho amidy amin’ny mpanjifa na andraisana fepetra toy ny fandevonana rehefa hita fa mety hitera-doza ho an’ny fahasalaman’ny mpihinana. Nanamafy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON, fa tao anatin’ny 2 volana, dia namafisina ny fanaraha-maso ireo « grandes surfaces » sy ireo botika amin’ireny toby mpaninjara solika ireny. Namafisina ny fandraisan’andrikitra avy amin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, indrindra taorian’ny fisiana tranga fahapoizinana ara-tsakafo azo avy amin’ny fanjifana hena voahodina toy ny tany Antsirabe sy Antananarivo. Maro ny vokatra azo toy ny fahatratarana ireo entana lany daty toy ny : bisokoy, fromazy, sokola, hena voahodina (charcuterie),… Ankoatra ny teto Antananarivo moa, dia isan’ny nanaovana fanagiazana hena voahodina ihany koa tany Fianarantso. Maro ny fepetra noraisina, ka tafiditra ny fanagiazana entana, izay narahina fitiliana nalefa amin’ny laboratoara, izay andrasana ny valiny. Misy ny fanakatonana vonjimaika mangazay nanjifana hena voahodina izay ahiana ho nitera-doza,… Mitohy amin’ireo mangazay rehetra, tsy eto Antanananarivo fa saika manerana ny Nosy ny fanaraha-maso. Nanamafy ny antso amin’ny mpandraharaha mba haneho sy hanaja ny fepetra toy ny resaka fitahirizana amin’ny hatsiaka na « chaine de froid » ny minisitera, niantso ny mpanjifa ho mailo toy ny fanaraha-maso ny etikety sy ny datin’ireny sakafo ireny. Afaka miantso ny laharana 0340551316 ny mpanjifa mahatsikaritra trangan-javatra hafahafa, araka ny toromariky ny Minisitera.
Toky R
Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI)