airtel

Sosialy

26-déc-2023

Depiote Todisoa Andriampandry

Tsy nanadino ireo zokiolona sy ankizy kamboty

Sample post image

Tahaka ny fanaony isan-taona, tsy nanadino ireo kilonga madinika sy ireo zokiolona

26-déc-2023

sahirana avy amin’ny fokontany maromaro ao anatin’ny Boriborintany faha-6 iadidiany ny Depiote Todisoa Andriampampandry. Noho ny fankalazana ny krismasy, nisy ny fanolorana fanampiana nataony teny Ambohimanarina ny sabotsy lasa teo.
Noho ny vaninandro fety, dia nisitraka vary, hena, menaka, paty, savony, sira, siramamy,… ireo zokiolona sahirana ary vatomamy sy mofomamy kosa ho an’ireo ankizy maro be sahirana sy kamboty. Nisy ihany koa ny fiaraha-misakafo masaka tamin’izany niarahana tamin’ny Masera Benedicte sy ireo fikambanana maro samihafa miahy ireo sahirana. Niara-nifety sy nikorana nifampizara hafaliana ny rehetra nanehoana ny hafaliana sy firaisam-po noho ny hasaramanitra. Tsy adinon’ny depiote Todisoa Andriamampandry ny nampahatsiahy sy naneho hatrany, fa «Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy ». Nandritra io ihany koa moa nirariany krismasy sambatra ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, ary nirariany ny rehetra hahatratra ny asaramanitra ka samy hanao faran’ny taona feno fifaliana eo ambany fiadanan’ny Tompo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap
19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap