airtel

Sosialy

29-janv-2026

Depiote Todisoa, nijinja

vary niaraka tamin'ny vahoaka

Sample post image

Mila tohanana ny tantsaha raha te hanatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo"

29-janv-2026

Toy ny isan-taona, niaraka nanao fararano tamin'ny tantsaha teny Ambohimanarina ny depioten'ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Todisoa Andriampandry. Fotoanan'ny miaka-bary moa izao amin'iny faritra Ambohimanarina sy Antehiroka iny. Ninjinja, nitaona, nively, niara-nisalahy sy niaraka nisakafo tamin'ny tantsaha. "Maro ny fanampiana nentina ho an'ny vahoaka na ara-pitaovana na ara-bola, teo ihany koa ny fanajariana ireo lakandrano samihafa, ny fanatsarana ny fidiran'ny rano sy ny fivoahan'ny rano, izay niarahana tamin'ny tantsaha, ka isaorana an'Andriamanitra fa tena nitombo ny vokatra noho ny isan-taona", hoy ny depiote Todisoa Andriampandry. Nanipika anefa ny tenany fa izany akory tsy mahasakana na hoe tsy hiasa intsony ny tompon'andraikitra misahana an'izay, ka nanaovany antso amin'ny manam-pahefana amin'ny maha solombavambahoaka azy hoe ilaina ny fanatsarana ny lakandrano maro eny amin'ny lemak'i Betsimitatatra sy Laniera ary ireo manodidina satria eny no anisan'ny sopitry ny vary ny vary eto Antananarivo. Mila jerena, hoy izy nanamafy, ny fidirana sy ny fivoahan'ny rano. "Manao izay mety izahay efa nanala ny tsikafona maro, nanadio sy nanajary ny lakandrano niaraka tamin'ny tantsaha, fa manamafy amin'ny ambaratongam-pahefana hijery ny tantatsaha satria na tiantsika na tsy tiantsika, raha tiana ny hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia mila tohanana ny tantsaha", hoy hatrany ny depiote Todisoa Andriampandry.
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

Raikitra ilay tetikasa Next Lead.

Card image cap