mampinono tsy ampy sakafo an’arivony no nisitraka sakafo maimaim-poana tany amin’ny distrikan’i Farafangana. Vokatry ny fiaraha- miasa teo amin' ny depioten' i Farafangana Raheriarijaona Regina Clarisse sy ny ONN ary ny Minisiteran' ny mponina no angady nananana sy vy nahitana izany. Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany ireo fianakaviana ao amin' ny Fokontany Bemahala, Agnaviavy ary Sarambendra samy ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Tovona, distrikan' i Farafangana. Vary milanja 25 kilao, tsaramaso 05 kilao, menaka 01 litatra isan- tokatrano no natolotra tamin’izany, hetsika tafiditra ao anatin' ny fanampiana ny mpiara- belona manoloana ny ady amin' ny tsy fanjarian- tsakafo any amin' iny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny. Mbola hitohy ny hetsika fanohanana ireo fianakaviana marefo tahaka izao any amin’ireo Fokontany miisa telo ireo, hoy hatrany ity solombavambahoaka iray ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,