Ny tena mampalahelo dia mbola manao asa tsy mifanaraka amin’ny herim-batany ihany koa ny 60%n-izy ireo izany hoe : mikapo-bato na dia ny zazavavy kely aza, matsaka rano na manary rano maloton’olona raha tsy lazaina intsony ireo mangataka ary mahavita dia an-tongotra mihoatra ny 10 km isan’andro mba hahazoana vola….Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny Ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny birao iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT. Anton’ny fihaonan’ny roa tonta ny mba hahafahana manatsara ny tontolo iainan’ny ankizy eto Madagasikara indrindra fa ireo sahirana ka an’izay tokony mbola hiverina hianatra dia averina amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra hatao amin’ireo Ray aman-dRenin’izy ireny. Ho an’ireo ankizy mikapo-bato moa dia fantatra fa tsy mihoatra ny 1.000 Ar isan’andro ny vola azon’izy ireny amin’ny ankapobeny saingy mbola tsy maintsy omeny ny Ray aman-dReniny ihany koa ho fanampiana amin’ny sakafo isan’andro.
Pati
Legende : Kely dia mamelon-tena ny ankamaroan’ireo ankizy eto Madagasikara
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,