airtel

Sosialy

31-juil-2026

Famarinana olombelona

«Masiaka be ny valin-kafatra

Sample post image

omena izay tratra manao azy»

31-juil-2026

Tena olana goavana manerantany ny famarinana olombelona na «traite des etres humains», hoy ny praiminisitra lehiben’ny gouvernemanta, Mamitiana Rajaonarison, raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanamarihana ny andro manerantany hiadiana amin’ny famarinana olombelona tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo omaly. Antony nahatonga antsika nanasonia ny fifanarahan’i Palerme na «protocole de Palerme» tamin’ny taona 2000 izany, hoy izy. Rehefa jerena ny famaritana ny atao hoe famarinana olombelona dia misy manao famarinana olombelona amintsika ireo. Mety tsy tena isika no manao azy fa misy zavatra hitantsika eny amin’ny fiarahamonina nefa tsy fantantsika hoe famarinana olombelona. Alaina ilay olona dia trandrahana mba ho andevozina. Hitantsika teto Madagasikara an-taonany maro izay ny hoe malagasy sahirana dia mitady asa dia mahita tolotr’asa any ivelany. Nanana pasipaoro izy teto fa tonga any lasan’ilay olona avy eo ny pasipaorony. Tsy afaka mitaraina izy raha manatona mpitandro filaminana any. Tsy any aminy intsony ny pasipaorony. Mijaly na maty mihitsy ny sasany. Ny mahagaga dia mifanandrify amin’ny zava-miseho eto amin’ny firenentsika mihitsy ny lohahevitra mikasika ilay fanamarihana tamin’ity taona ity hoe «Voafandrika anaty fisolokiana ana habaka». Nihevitra isika taloha hoe ny malagasy miala eto mankany ivelany ihany no tratran’ny famarinana olona. Misy famarinana olona avy any ivelany manketo koa nefa. Ohatra amin’izany ity hoe fisolokiana ana habaka na «escroquerie en ligne» ity. Be dia be any ary efa nandray fepetra isika hoe vao mampiahiahy dia tsy mahazo miditra eto Madagasikara. Izay tratra dia averina any amin’ny firenena misy azy. Ireny olona ireny ilay hoe lasibatra na «victimes». Ny olona sahirana na marefo no tena tratra. Mety hoe kilemaina ilay olona na vehivavy na ankizy na hafa. Izay no antony mahatonga ny hoe izao tontolo izao mihitsy no miady aminy. Misy ny fepetra fisorohana amin’ny alalan’ny fanaraha-maso. Misy indrindra koa ny fanenjehana sy fanasaziana ireo tratra. Mafonja ny sampana manokana na «task force» napetrantsika hiady amin’izy io. Masiaka be ny valin-kafatra omena izay tratra manao azy. Fitadiavam-bola, famotsiam-bola, famatsiana asa fampihorohoroana sy ny toy izany no ambadika, izany hoe, manamora fandikàn-dalàna hafa io famarinana olona io. Tsy olon-tokana no manao an’io fa tena tambazotra, izany hoe, asa ratsy voarindra na «crime organisé» io. Tafiditra anatiny ny kolikoly ary izay no mahatonga azy ho tafiditra anaty laharam-pahamehana stratejika na «orientation stratégique» voalohany anaty PGER na fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakàna miady amin’izany. Maika io ary mipaka hatramin’ny fisian’ny hoe tsy fanamarinan-toerana ny fitondràna anaty firenena, hoy hatrany ny praiminisitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Hiezaka hampitombo harinkarena ny fitondràna

Card image cap
30-juil-2026

ny CUA tsy misy mpanolotsaina…

Card image cap
30-juil-2026

Hisy ONG mety hanampy azy

Card image cap